Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Tratra ireo telo lahy mpamaky fasana

Fasana lehibe fito sy fasana 12 hafa nasesin’ny olon-dratsy telo lahy novakiana tao amin’ny fokontany Manom­pana, kaominina Soanierana Ivongo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 31 janoary teo. Nahare feon’alika nivovo tsy toy ny nahazatra ny raim-pianakaviana nonina tsy lavitry ny toerana nisy ny fasana tamin’ny 10 ora alina mahery. Nitsirika ivelan’ny trano, nahatazana telo lahy eo am-panokafana fasana izy. Niantso vonjy tamin’ny fokonolona avy hatrany io nanatri-maso io. Nikoropaka ireo telo lahy. Nifanenjehana ireto farany ka tra-tehaka. Nisy tamin’ireo nahasambotra nanararaotra nidaroka. Nosavaina ireo olon-dratsy ka nahatrarana vola 350 000 Ar.
Naka ny zava-tsarobidy
Nigadona teny an-toerana nanao ny famotorana ity raharaha ity ny zandarimaria miasa eo anivon’ny Tobim-paritra Soanierana Ivongo. Nosavaina avokoa ireo toerana nanaovan’izy telo lahy ny asa ratsiny. Voamarina fa mitotaly 19 ireo fasana lasibatra. Naka ny zavatra sarobidy toy ny vola sy firavaka volamena tao anatin’ny fasana tsirairay avy no tanjon’izy telo lahy ireto. Anisan’ny halatra nalain’izy ireo tao am-pasana io lelavola ana hetsiny tratra io. Nentin’ny mpitandro filaminana natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ireto olon-dratsy ireto. Marihina, nahazo vahana tato ho ato ny tranga vaky fasana ary voakasik’izany ireo kaominina ambanivohitra ivelan’Antananarivo.

Tsiferana R.

Partager sur: