Lehilahy nahatrarana trondro 5 kg nalaina tao amin’ny farihin’i Masay, ny alin’ny sabotsy 01 febroary teo. Amidiny eny an-tsena vao maraina ireo entana ireo ka anisan’ny hanamparihany izany ny eny Behoririka. Nogiazana ireo trondro sy ny fitaovam-panjonoana toy ny harato teny aminy.
Kilan’ny afo ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, distrikan’ Ikongo, omaly. Tsy nisy noraisina avokoa ny entana rehetra tao anatin’io trano may io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Trano nisy rihana iray koa, hotohoton’ny afo teny Soavinandriana tsy lavitry ny Homi, omaly.
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo mpangalatra omby tao Labandy, kaominina Malakialina, omaly maraina. Tsy nanaiky nosamborin’ny mpitandro filaminana izy fa nikasa nandositra ka anton’ny nahavoan’ny bala azy.
Mpangalatra tariby an’ny orinasa an-tserasera miisa dimy lahy voasambotry ny polisy teny Ambohijatovo, ny farany herinandro teo. Nampiasana ny fiara sy fanamiana toy ny mpiasa amin’ny orinasa tambajotra serasera izy ireo kinanjo olona nangalatra. 1 800 ny tariby efa azon’izy ireo.