Lehilahy 37 taona namoy ny ainy tao Andramiarana, fokontany Morondava, kaominina Antehiroka, ny 1 febroary teo, tamin’ny 12 ora sy fahefany. Mpandalo no nahatsikaritra olona nihohoka tamin’ny tanimbary mifanila amin’ny lakandranon’ Andriantany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany io nanatri-maso io. Navoakan’ny fokonolona tao anatin’ny toerana voalaza ilay lehilahy. Nanao akanjo lava tanana miloko mainty sy pataloha maka tahaka ny lokon’ny fitafy miaramila izy. Nivoa-dra ny faritry ny orony sy ny vavany. Nahitana ratra kely koa ny faritry ny feny amin’ny ilany havia. Niala ny trano fonenany io lehilahy io 31 janoary teo, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany. Hiandry dobon-trondro eny an-tanimbary Andramiarana no anton-diany tamin’io fotoana io. Tsy hita intsony izy taorian’izay. Nataon’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Antehiroka ny fizahana. Voamarina fa maty vokatry ny fiteloman-drano be loatra ity lehilahy ity. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany taorian’ny fanadihadiana sy fizahana. Marihina, niseholany ny fahitana fatin’olona anaty rano tao anatin’ity herinandro ity ho an’ny teto an-dRenivohitra. Anisan’izany ireo roa lahy hita faty natelin’ny ranon’ny Ikopa ny faran’ny herinandro teo.
Tsiferana R.