Fitakiam-bahoaka tao Foulpointe : Fananana an-tapitrisany maro voaroba, olona 10 voasambotra

Nitrangana savorovoro sy hetsi-ba­hoaka nandritra ny andro maromaro tao Mahavelona- Foulpointe, na­nom­­boka ny alakamisy 30 janoary lasa teo.

Efa somary nisava kely izany ny alahady 2 febroary lasa teo. Efa nisy ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra izany, antony nampiato kely izany. Nitondra sorabaventy, niakatra teny an-tampon-tanàn’i Mahavelona Foul­pointe, ny fokonolona avy any Tanambao Firaisana, avy any atsimo sy avaratry ny Manda tamin’izany. Tsy hita tany amina mpandraharaha iray ny ankizilahy 14 taona ka anton’ny fitakian’izy ireo. Takin’izy ireo ny hamoahan’ io voalaza fa mpandraharaha izay niasan’io ankizilahy very io. Miahiahy ny ankamaroan’ny vahoaka fa mety efa maty na novonoina io ankizy voalaza io, matoa hatramin’izao mbola tsy hita ihany, raha ny fitarainana nataon’ireo mponina.
Niseho tamin’ny endrika maro ny fitakiana sy ny hetsika nataon’ny mponina nandritra ny andro maromaro. Nitan­dahatra nitety tanàna nilanja sorabaventy ny vahoaka tamin’ny andro voalohan’ny hetsika. Nitohy tamin’ny fidinana an-dalambe ny fitakiana na­taon’izy ireo ny andro faharoa. Taorian’izay, niakatra ny maripana sy ny hafanam-pon’ny vahoaka ka nitohy hatramin’ny fandravana ny fananan’ ilay mpandraharaha voalaza iza­ny. Anisan’ny rava, nandritra izany, ny trano fivarotam-panafody sy orinasa fanaovana hazo sy fanaka. Potika tsy nisy noraisina koa ireo fiara roa sy moto iray ary fanaka maro, ankoatra izay nentin’ny olona nody. Fananana an-tapitrisany maro no voaroba, amin’ny ankapobeny. Fana­fo­dy maro samihafa miparitaka eny anivon’ny tanàna, any an-toerana.

Ahina ny fanapoizinana
ara-panafody
Noho ireo fananana maro potika sy rava tany an-toerana, nambaran’ny mponina sasany ho niraviravy tanana ny raiamandreny sy ny tangalamena, indrindra ny mpitandro filaminana any an-toerana. Noho izy ireo tsy afaka nisoroka ny hetsika mba tsy hiafara tamin’ny fandravana sy fandrobana fananan’ olona tahaka izao.
Nandray fepetra avy hatrany ny prefektoran’i Toama­sina, Benandrasana Cyril, taorian’ny zava-nisy. Nandefa Emmo/Reg any an-toerana izy ary nanome baiko ny hisamborana ireo olona nanao ny fandrobana rehetra. Vokany, tovolahy 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana ary efa nentina hadihadiana eny amin’ny manam-pahefana.
Ankoatra izay, nambaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga fa ahina hiteraka olana hafa ara-piarahamonina any Mahavelona Foul­pointe ny fiparitahan’ireo fanafody tao amin’ny trano fivarotana norobain’ny olona. Maro amin’ireo fanafody no saro-pady nefa lasa hananan’ny olona maro. Mety ho maro ihany koa ny olona hampiasa izany fahatany sy tsy hifanaraka amin’ny ambaran’ny mpitsabo akory. Miahiahy ny mety hitrangan’ny fanapoizinana ara-panafody any an-toerana, araka izany, ny olona.

Vola 4 tapitrisa ariary nentina nitsoaka
Nisy vola 4 tapitrisa ariary very tao amin’ny toeram-pivarotam-panafody, ny alin’ny 29 desambra 2024 lasa teo. Nohadihadiana avokoa ireo ankizy rehetra sy mpiasa tao amin’io trano fivarotam-panafody io taorian’izay. Tsy hita popoka, nandritra izany, ny vehivavy iray antsoina hoe Onimpandresena na Fan­dresena, mpiasa iray tao. “Raha amiko, nitondra io vola be io nitsoaka izy io ary mahafantatra tsara ny toerana azony hiafenana any an-toerana”, hoy ny tompon’ity trano fivarotana fanafody iray ity.

Sunplus MM Inc.

Fianakaviana sahirana

Nandritra ny korontana sy fandravana fananan’olon-tokana, tany Mahavelona-Foulpointe, hany sisa tavela tao amin’ilay mpandraharaha niantefan’ny fitakian’ny fokonolona ny vadiny izay mitondra vohoka ary ireo mpiasa miara-mitantana.
Marihina fa miasa sy monina aty Antananarivo Renivohitra ilay mpandraharaha. “Niangavy ahy mba handray ny zanany lahy 14 taona ny rain’izy io noho ny fahasahiranana mahazo azy ireo”, hoy ny fitantaran’ity mpandraharaha ity, Botsiaka Edintch. Nambarany fa tsy nanaiky ny hiasan’io zazalahy io aho satria tsy ampy taona izy, ary tapa-kevitra aho ny hampianatra azy asa tanana sady mipetraka aty amiko. Gaga anefa aho fa nolazain’ny rainy tsy hita io ary izao niafara tamin’ny korontana sy fandravana fananana izao. Nambaran’ny rainy fa maditra sy fainga tanana ity zanany ity. Nohamafisiny hatrany fa mbola niangavy azy mafy ilay rain’ ilay tovolahy lazaina fa tsy hita ny 21 desambra lasa teo, mba hanomezana trano ireo fianakaviana sy ray aman-dreny ireo, izay sahirana ara-pivelomana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: