Nandeha nandro fa nafana : Renim-pianakaviana norobain’ny jiolahy, lasa ny 10 tapitrisa Ar

Trangana fanafihana mitam-piadiana roa samy hafa indray no niseho tao Toamasina tamina fokontany roa, ny zoma alina teo.

Voalohany, tao Ambo­hijafy Avaratra, pari­sela 14/31, renim-piana­kavi­ana iray mpivarotra trondro no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Maka trondro avy any Antsi­raka Soanierana Ivongo izy ka mivaro­tra izany ao amin’ny kaomi­nina ambanivohitr’i Sa­ham­­bala hatrany Mangabe Sahanato, distrikan’i Toa­masina II. Isaky ny tonga ao Toamasina izy, mivantana ao amin’ny tokantranon’ny fianakaviany ao Ambohijafy Ava­ratra. Nafana ny andro tamin’io fotoana io, saingy tsy nandeha ny rano tao amin’ny tokantrano nivantanany. Lasa nindrana rano handroana tany amin’olon-kafa teo amin’ny manodidina izy. Tsy napetrany tao amin’ny fianakaviany anefa io vola 10 tapitrisa Ar io fa nentiny tany amin’ny trano fandroana niaraka taminy. Vita soa aman-tsara ny fandroana, hamonjy ny trano nivantanany izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy teo amin’ny Lalampasika akaikin’ny toerana mpaninjara solika iray. Norobain’ny jiolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto, niaraka tamin’ny basy, ilay  renim-­­pianakaviana. « Aiza­ ­ilay vola fa tifi­rinay raha vao tsy manome », hoy ireo jiolahy, araka ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana niharan’ny fandrobana. Lasa ny vola, safotra nianjera avy hatrany izy.
Fa tokantrano iray hafa koa voaroban’ny jiolahy tao Mangarivotra Atsimo, parisela 11/42, ny faran’ny herinandro teo. Jiolahy roa niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ka nandrahona basy ireo olona tao an-trano. Nalain’izy ireo ny vola sy ny volamena. Tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy.

Sajo/J.C

Partager sur: