Nosamborin’ny polisy teo Ambanidia, omaly, ny dimy mianadahy, mpanao fanafihana. Nikasa handroba Cash point izy ireo. Ahina ho isan’ny nitifitra ilay mpanakalo vola vahiny teny Analakely ihany koa.
Vehivavy iray sy lehilahy efatra niara-voasambotry ny polisin’ny UIR sy ny avy eo anivon’ny CSP2 tetsy Ambanidia, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, nidina ifotony teny amin’ny toerana voatondro ny polisy. Nanao fanamiana sivily izy ireo ary nanara-maso ireo jiolahy. “Nifanenjehana avy any izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny polisy nahasambotra azy dimy mianadahy. Nitondra moto roa, nirifatra nikasa hiakatra an’Ambanidia ireo olon-dratsy, izay samy nanao taingin-droa. Vokatry ny fiaraha-miasa eo anivon’ ny samy mpitandro filaminana, voasakana teo amin’ny tobin-dasantsy tsy lavitra ny sampanan-dalana miala ny “Fiavo” izay fiantsonan’ny taxi-be izy ireo. “Mafimafy ny fisamborana satria nanohitra ny polisy ireo vatan-dehilahy”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Nentin’ny polisy an-tanana niaraka tamin’ireo efatra tratra ireo ny vehivavy iray.
Mpanao fanafihana
Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Ahina ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teo Analakely izay namoizana raim-pianakaviana mpanakalo vola vahiny ity tambajotran-jiolahy ity. “Mpanafika Cash point ihany koa izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny polisy teny amin’ny toerana. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana hatao famotorana, noho izany, izy dimy mianadahy ireo. Nentina nanaraka azy ireo, ny moto roa nampiasainy nandritra ny fifanenjehana tamin’ny polisy. Andrasana ny tohin’izao raharaha izao. Marihina, niseholany ny tranga fanafihana Cash point sy fandrobana niharo fandratrana na niafara tamin’ny vono mihitsy aza teto an-dRenivohitra, tao ho ao. Efa nisy ireo jiolahy lavon’ny polisy ary nisy ireo nalefa any am-ponja.
Tsiferana R.