Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary ny olon-tsotra niroso tamin’ny fambolen-kazo nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Anisan’ny efa nahavita izany ny fikambanana Hasin’ny zaza manga. Notontosaina ny sabotsy 01 febroary 2025 lasa teo, tany amin’ny kaominina Ambato, ny andiany faharoa tamin’ny fambolen-kazo, nataon’izy ireo. Nitarika izany ny filohan’ny fikambanana sady ben’ny Tanànan’ny kaominina any an-toerana, Rakotondravao Sarobidy. Natao tamin’ny sabotsy 25 janoary 2025 kosa ny andiany faharoa.
“Fototry ny fandrosoana eo amin’ny tanàna iray ny fanomezana sehatra ny fambolena, anisan’izany ny fambolen-kazo”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, nandritra ny fambolen-kazo nataon’izy ireo. Nambarany fa raha voatsabo sy voatohana tsara araka ny tokony ho izy ny fambolena, dia miroborobo ny fiveloman’ny vahoaka. Mihatsara toy izany koa ny fari-piainana, manome fahafahana misimisy kokoa ho an’ny taranaka koa izany. Efa nanao fambolen-kazo foana ity fikambanana ity tao anatin’ny 5 taona nisesy. Mahatratra 5 000 isan-taona ny zana-kazo novolen’izy ireo hatramin’izany. Mba ho an’ny fanatsarana sy fiarovana ny tontolo iainana any Ambato. Tanjona maharitra ity, izay natao hanamafisana ny fizakan-tenan’ny ala sy hanomezana vahaolana amin’ny olan’ny fahasimban’ny tontolo voajanahary, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Hiarovana ny tontolo iainana
Tanjona sy politikan’ny fambolen-kazo ny famerenana ny ala sy fiarovana ny harena voajanahary. Manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana misy amin’izao fotoana izao, ilaina ny fambolen-kazo. Mba ho fanarenana ny toerana maro ho rakotra ala indray sy ho fiarovana ny zavamananaina. Ankoatra izay, fisorohana ny fahanteran’ny tany sy fanohanana ny fambolena sy fiompiana ihany koa. Manatsara ny fiasan’ny tany koa, mitahiry rano, manamafy ny fototry ny fambolena ary manakana ny fihotsahan’ny tany, ny faritra rakotra ala.
Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, manana tanjona sy sehatra manokana entina mampiroborobo ny sehatry ny fambolena izy ireo. Laharam-pahamehana voalohany ny fampivoarana ny voly, toy ny voly vary, tongolo sy ireo voly hafa manan-danja rehetra. Ankoatra izay, hatsaraina ihany koa ny lalana. Mba hoentina manamora ny fitaterana sy fivarotana ny vokatra miakatra avy any an-toerana. Ilaina ihany koa ny fampiofanana ny tantsaha hanaraka ny teknika manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny vokatra miakatra. Hamafisina ihany koa ny fifandraisana amin’ny tsena, mba hahazoan’ny tantsaha ny vidim-bokatra ara-drariny sy ahazoana tombony bebe kokoa.
Fanaraha-maso sy fikojakojana
Ilaina ny fambolen-kazo na ho an’ny mponina rehetra, ary tokony hanao izany na ny olona tsirairay avy aza. “Tsy vitan’ny mamboly fotsiny anefa fa miantoka ny fahaveloman’ireo zana-kazo amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy fanentanana ny mponina hikolokolo izany ny tena tsara indrindra”, hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo. Ankoatra izay, ilaina koa ny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mampirisika ny rehetra, indrindra ny tanora, mba ho tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary hatrany ity fikambanana iray ity.
Tsy mahomby ny ankamaroan’ny fambolen-kazo eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Maro ny antony mahatonga izany. «Voalohany, tsy mipetraka tsara araka ny tokony ho izy ny fotoam-pambolen-kazo eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fambolena tsy manaraka ny tekinika, izay anisan’ny antony tsy mampahomby ny fambolena », hoy Rahazatovo Andry, tomponandraikitra eo anivon’ny ONG Graine de Vie. Nilaza izy fa lasa toy ny fitsangantsangana fotsiny ihany ny fotoana hanaovan’ny olona ny fambolen-kazo. Anisan’ny tsy mampahomby ny fambolen-kazo eto amin’ny Nosy ihany koa ny doro tanety ataon’ny olona sasany. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitra aorian’ny fambolena.
Nanatontosa : Mino