Sivano!

 

Mahoraka indray ny resaka fanovana governemanta amin’izao fotoana izao, andaniny. Misisitsisika moramora eny koa ny mpanohitra, ankilany. Samy tsy hita be ihany izay tena marina amin’ny fihodin’ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Ny zava-misy aloha, miandry lava ny fahagagana ilay vahoaka madinika sy ny tsy manan-tsiny.
Misy tokoa aloha ny fanovana takin’ilay filan’ny sarambabem-bahoaka, raha mahakasika ireo olom-boatendry ireo no resahina. Misy izany nomena andraikitra amin’ny fanatanterahana fa dia tsy hitan’ny karatra, hoy ny fitenenana. Tsy hita tabilao mihitsy efa ho enim-bolana aty aorian’ny naha voatendry azy anaty governemanta.
Niteraka resabe ny mahakasika ny hazakazaky ny governemanta, izay misy tsy maharaka. Nomen-tsiny izay nahasahy niteny fa misy ny tsy maintsy hailika. Mazava anefa ny zava-misy: eo ny minisitra izay miridana amin’ny asa vita sy ny fametrahana paikadim-pampandrosoana mivantana amin’ny vahoaka. Misy indray ireo izay miadam-pandeha tena tsy afaka velively. Mialokaloka amin’ny asa mangina.
Tsy filazana fa miasa mangina intsony izao, mitaky porofo mihitsy ny vahoaka. Efa betsaka ny fitaka politika nampizakaina ny vahoaka hatrizay. Zary ilay andavanandron’ny vahoaka malagasy maro anisa no sorona tsy fidiny. Tena mafy anie izany tsy fisiana hatrany anaty vilany izany. Mikororosy ankitsirano ny fahefa-mividy. Mandrifotsy lava izao.
Raha mitady hirika andro aman’alina mba hametrahana tantara tsara ny filohan’ny Repoblika, tsy miala lavitra ihany koa ny mpanipy hoditr’akondro. Misy ny mitady ny fomba, hanabolisarana ilay fitondrana mijoro. Tsy tokony handrimandry manana aretina, araka izany, ny lehiben’ny fahefana mpanatanteraka, tsy izy ireo no hiangonan’ny rihitra lava eo. Sivano malaky izay ho mpiara-miasa!

r.r

Partager sur: