Samia mandinika

 

Tsy hay mazava ny tena fandehan’ny raharaha eto amin’ny tanàna. Mandeha tsimoramora eny ny zava-drehetra, raha atao indray mitopy maso. Toa mikatso izany indray anefa rehefa zohina akaiky. Tsy hay intsony ny zava-miseho sy zava-mitranga. Ny fivezivezena etsy sy eroa aloha izao no malaza. Misy aza ny taraiky any ivelany mihitsy noho ny tsy nampoizina.
Ato anatiny aloha dia samy manao izay ho afany ny isan-tokantrano ho an’ny ankohonana keliny. Tsy mitavandra mpitondra intsony fa samy manao izay tratry ny heriny, hisakafoanana sy hitafiana, ary afaka mampiana-janaka dia ampy izay. Iaraha-mahalala rahateo ny zava-miseho amin’ny firenena samy misarangotra izay sarangotiny sisa. Tsy hay izay hiseho manaraka eo!
Ny zava-dehibe aloha, efa nametraka ny tondrozotro ny mpitondra ankehitriny. Mazava ny lalan-kizorana. Tsy maintsy hisy ny fifidianana hatao ny faramparan’ny taona 2027. Tafidtra anatin’ny roa taona, na mahery kely, araka ny tetiandron’ny mpanao fihetsiketsehana aloha ny zava-drehetra. Miroso miandalana amin’ny fahohizan-draharaha.
Tsy afaka ny hifanakiana intsony, araka izany. Efa mandeha ny zava-drehetra, ary mitohy toy ny mahazatra ny lamina isan’ambaratongany. Tsy afaka ny mifanome tsiny be fahatany intsony, fa tahaka ny manohy ny efa naongana fotsiny. Niarahana mahalala rahateo ny 2028, fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry.
Mazava ny fitsipi-dalao. Mitaky firaisankina sy fifanohanana anatin’ny fahadiovan-tsaina sisa ny ho tohiny. Na mifanohana dia manao fifidianana Ramalagasy, na mifampisompatra eto indray dia miitatra ny tetezana enti-miampita. Sanatrian’ny vava hifandrirondrirotra etsy sy eroa indray, ka ho very fotoana ny fametrahana fitoniana! Koa samia mandinika lalina.

r.r

Partager sur: