Vokatra soja : Mahasolo hena sy legioma ary azo atao foto-tsakafo

Be mpampiasa in­drindra maneran-tany ny vokatra soja. Tafiditra ao anatin’ny sakafo ma­hasalama izy satria mahasolo ny proteina azo avy amin’ny fihinanana hena sy legioma.

Hita tany Chine, tamin’ny 5 000 taona lasa, ny zavamaniry soja, raha ara-tantara. Nitombo hatrany ny vokatra sy ny voly soja nanomboka ny taona 1980 ary miroborobo fatratra ankehitriny. Anisan’ny firenena namokatra azy io i Frantsa. Ahitana izany koa eto Madagasikara. Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana mpamboly azy. Toy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra, Soanierana Ivongo, Itasy… Mahatratra hatramin’ny 180 t isan-taona ny vokatra soja vokarin’ny kaominina Ambanivohitra Ambano. Misy isan-taona ny vokatra fa miova araka ny vanim-potoana ny vidim-bokatra, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana.
Misy karazany maro ny soja. Misy ny miloko mena ary misy ny mavo. Misy ihany koa ny vaventy sy madinika, izay samy manana ny mampiavaka azy, raha ny fanazavana. Natokana hanaovana menaka fotsiny ny soja madinika. Azo hanaovana karazana sakafo isan-karazany kosa indray ny soja vaventy.

Mitondra vokatsoa maro
Ahitana tombontsoa maro ny fihinana ny vokatra avy amin’ny soja. Anisan’izany ny otrikaina samihafa azo avy amin’ny voana soja 100g. Mahatratra 20,8 g ny gliosida. 419 ny kaloria. 34,5g ny proteinina. 13g ny “fibre alimentaire”. Rano avokoa ny 12% avy amin’ny voany iray. Ahitana singa mineraly ihany koa izy. 6 mg ny vitamine C. 277mg ny kalsioma…
Ankoatra izay, azon’ny olon-drehetra mihoatra ny fahenim-bolana ampiasaina ny vokatra soja. Miantoka ny fahasalaman’ny olona iray izany.
Nisy zaza tsy salama, anisan’ny saozanina tamin’izany. Lafo ny fitsaboana ara-medikaly an’io zaza io ka tsy naharaka ny enti-manana teo amin’ ny ray aman-dreniny. “Nire­saka tamiko ny renin’ilay zaza tamin’izany ary nomeko soso-kevitra mahakasika ny fihinanana soja”, hoy Ratsiferana Lucia, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Lulu. « Notsaboina tamin’ny alalan’ny fihinanana soja ho toy ny foto-tsakafo mihitsy izany. Afaka roa taona taty aoriana, sitrana soamantsara ilay zaza vokatry ny fanarahana ny fihinanana sy ny fandrahoana ny soja natoroko”, hoy izy nitantara.

Soja miala hodiny no ampiasaina
Miparitaka eny an-tsena ny fivarotana vokatra soja, indrindra fa ny ronono, raha ny zava-misy eto Antana­narivo. “Entanina ny olona hamantatra ny vokatra tsara kalitao”, hoy izy. Raha mitondra voana soja 3 kg eny amin’ny mpitoto eny an-tsena. 750g amin’ny vovony azo dia ratsy avokoa, raha ny fanazavany hatrany.
Mba hialana amin’izay, nanome torohevitra amin’ny fandrahoana soja ny tenany. Lomana amin’ny rano mangotraka mandritra ny minitra vitsy ny voana soja maina. Voasana ny hodiny avy eo ary ahodina ho lasa vokatra hafa ny nofony. Izay tena mila faharetana. Nilaza izy fa tsy mety voasana mihitsy ny soja ratsy kalitao. Azo antoka tsara sady mahasalama ny vokatra amin’izay fotoana izay.

Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana

Anisan’ny mampidi-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ihany koa ny vokatra soja. Ahitana ny akora ratsy antsoina hoe « phytoestrogene » ny vokatra soja. Mety hiteraka olana amin’ny fiasan’ny sela mpamokatra (hormone) sy mahatonga fahamombana ny fihinanana azy matetika noho izany. Tsy tsara ho an’ny vehivavy voan’ny homamiadan’ny nono ny fihinanana azy io, satria mety hitarika amin’ny fiverenan’ny aretina indray izany. Ankoatra izay, tsy tsara ho an’ny olona manana olana eo amin’ny aretina “thyroïde” ihany koa izy io, raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Tsy tsara ho an’ny zaza latsaky ny enim-bolana ihany koa izy io. Afaka manova ny heriny sy ny fiasan’ny fanafody hoanin’ny marary ny fihinanana soja. Ankoatra izay, misy ihany koa ny tsy mazaka ny fihinanana soja satria tafiditra ao anatin’ny sakafo mavesatra izy io.
“Anisan’ny mpanjifa ny vokatra soja ny mpianatra, ny olona diabetika, tsy mahazaka atody na rononon’omby ary ny olon-tsotra isan-tsokajiny”, hoy i Vonjiniarana, tomponandraikitra eo anivon’ny Art de soja. Nilaza izy fa natokana sy azo anaovana solon-tsakafo tsara izy io amin’ny ankapobeny. Marihina fa tsy tokony hihoatra ny roa vera isan’andro ny fihinana na fisotroana ny vokatra azo avy amin’ny soja. Tsy hiteraka tsy fahasalamana eo amin’ny olona iray no antony.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: