TARATRY ny KANTO

Hetsika niavaka teny amin’ny Kianja Masoandro. Nandray ny seho haisorakanto, niarahana tamin’i Rima sy i Tsiahy Andrianina ny toerana, ny asabotsy teo. Fifandimbiasana antsan-tononkalo teo amin’ireo mpanoratra, izay nentina nanasongadina ny hakanton’ny teny malagasy no nitranga. Tafiditra rahateo anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny seho.
Mitohy ny sehon’ny delegasiona malagasy, mandritra ilay hetsika “The Surajkund International Craft Mela”, andiany faha-38, tontosaina any Inde. Naneho ny hira sy dihy ary fitafy mampiseho ny faritra maro eto Madagasikara izy ireo, nandritra ny seho an-dalambe nataon’ireo mpanakanto. Mpampianatra sy mpianatra mozika sy dihy avy ao amin’ny Anac ireto mitondra avo ny kanto malagasy ireto.
Tsy nahasakana ireo mpankafy ny tarika Rebika ny ranobe. Tomefy olona ihany ny PK 00 Soarano, na dia fefiky ny rano aza ny arabe, ny alin’ny zoma teo. Tonga tamin’ilay fotoana nomen’ny tarika Rebika ireo mpifankatia, hanamarika ny Saint Valentin ireo mpanaraka azy. Notetezina avokoa ireo hiram-pitiavan’ny tarika, hatrany amin’ny niantombohany. Miandry ny seho ankalamanjana indray.
Nizara ny “Alitaram-poezia” i Lalaina Ravahy. Hetsika iray nanasongadinana ny asa soratra miresaka ny fitiavana ranofotsiny ihany koa ny nitranga tetsy amin’ny IKM Antsahavola, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Sady nampahafantatra voalohany ny boky navoakany ny mpanoratra Lalaina Ravahy no nanolotra an-tsehatra koa ny ampahany tamin’ireo tononkalo notsongaina. Nentiny manamarika ny 10 taona nanoratany izany.

Partager sur: