Famatsian’ny Jirama : Sarotra ny mahazo rano ankehitriny

Iankinan-javatra maro ny rano, antoka voalohany eo amin’ny fahasalamana. Hatramin’ny taona 2018 teto Madagasikara, azo lazaina fa nandeha tsara ihany ny rano, saingy olana ho an’ny tànan-dehibe. Sarotra ny mahazo rano vatsian’ny  Jirama amin ’izao fotoana.

Lasa resabe ny rano ankehitriny. Ampy ve ny rano eto Madagasikara sa tsia? Araka ny fanadihadiana natao, ny tanàn-dehibe no maro misitraka rano ny mponina, saingy amin’izao fotoana, efa betsaka ihany koa ny sahirana. Ny mponina any ambanivohitra izay maro indrindra , 34% taloha nahazo rano fisotro madio, ankehitriny, eo amin’ny 11 – 12 % sisa io tarehimarika io noho ny antony maro. Azo lazaina hoe betsaka ny toerana tsy toy ny teo aloha amin’ny fahazoana rano madio fa mihena na tsy misy mihitsy.
Avy aiza ary ny loharano fampiasan’ny Jirama? Avy amin’ny farihy na renirano. Ampiasain’ny olona amin’ny maha olona azy, ilaina ho an’ny fambolena sy fiompiana ary hamokarana herinaratra toy ny any Andekaleka.Ny zavatra hita amin’izao fotoana, miha ritra ireo loharano ireo, noho ny fiovan’ny toetr’andro, izay ny mponina ihany no antony betsaka mahatonga izany, amin’ny fandripahana ala, ohatra. Eo koa ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, toy ny lakandrano sy ireo fitaovana isan-karazany fampiasan’ny Jirama. Mampanahy ny fisian’ny rano fisotro madio, na eto an-dRenivohitra aza, nefa ny rano, antoka iray ho an’ny fahasalamana sy singa iray miantoka ny fampandrosoana ara-toekarena. Eto an-toerana, matetika tojo rivodoza, tondradrano, na haintany, izay manimba ny loharano. Io tsy fahampiana io no miteraka aretina isan-karazany tokony tsy ho hita intsony, toy ny kolera, ny fahatapahan’ny herinatra maharitra. Io koa matetika no lasa fitaovana politika hoenti-miady.

Tsiahivina fa tamin’ny taona 2022, nisy fifanarahana teo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny fanjakana malagasy, 220 tapitrisa dolara, ho fanatsarana ny famatsiana rano madio sy hanarenana ny Jirama eto Antananarivo sy amin’ny tanàn-dehibe hafa. Vao tamin’ny 2024, tolotrasa avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ho fanaraha-maso sy fampitaovana vaovao ny famatsian-drano eto Anta­nanarivo, 110 000 tapitrisa euros. Tokony hatomboka amin’ny volana marsa 2025 izany asa izany

Mitombo ny filana eto Antananarivo sy ny manodidina

Laharam-pahamehana ny rano, tokony ho zarain’ny Jirama eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mitombo ma­tetika ny filana, satria mitombo ny isan’ny mponina, mitombo ihany koa ny olana amin’ny Jirama.
Raha fintinina, saika efa tranainy avokoa ny fitaovana, ankoatra ny tontolo iainana miha ratsy. Feo avy amin’ny Jirama, rano fisotro madio ho an’ny mpanjifa no avoakany. Raha tsaraina anefa ny rano, tsy azo antoka ny fahadiovany, Hita eo amin’ny lokony izany. Ary mitohy ihany koa ny fahatapahan-drano any amin’ny toerana sasany. Jirama ihany no mitsara farany ny ranon’ny Jirama eto amintsika. Man­amarina fa manana fitaovana amin’izany izy ary manaraka ny fombafomba rehetra .
Eo amin’ny fitaovana, nambara fa mila 24 km fandehanan’ny rano ny Jirama ary 14 ny toby tokony ho soloina eto Antananarivo, miampy fitaovana hafa.

Mijaly rano ny any Atsimo

Tsy vao izao no mijaly rano ny mponina any Atsimo : Anosy, Androy, Atsimo Andrefana fa efa am-polo taona maro. Mandeha kilaometra maro vao mahita rano sotroina na isasana. Manampy ny tsy fahampian-tsakafo izay miteraka aretina isan-karazany izany. Tena fahasoavana lehibe raha misy izany orana izany. Maina ny tany mandavantaona, tsy afaka mamboly, maty ny biby fiompy na ravan’ny dahalo, ny hanoanana mamely.
Any Amboasary, ohatra, eo ny Unicef miara-miasa amin’ny governemanta japoney manome fitaovana hamatsiana rano any an-toerana, manova ny fomba fiainan’ny mponina. Mihena ankehitriny ny isan’ny zaza tsy ampy sakafo .
Eo koa ireo CSB (Centre de santé de base) miantoka ny fahasalaman’ny mponina. Mahita tombontsoa voalohany avy amin’izany, ireo mpiasa ao aminy. Mitsoa-ponenana ankehitriny ny mponina sasany any Atsimo Andrefana, noho ny tsy fahampian-drano.
Tamin’ny taona 1980, ny fanjakana malagasy tamin’izany fotoana, nanangana ny atao hoe AES ( Alimentation en eau dans le sud) namatsy rano tany Atsimo ny asany, saingy tsy hita intsony ny tohiny taty aoriana.

Fanadiovana rano
Asa telo lehibe no atao vao tonga eny amin’ny mpanjifa ny rano.Voaloahany, ny fakana rano eny amin’ny farihy, lakandrano, na ambanin’ny tany lonaka. Ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina, avy amin’ny farihin’i Mandroseza. Faharoa, ny fandefasana ny rano ho diovina amin’ny tambajotra any amin’ny orinasa: esorina ny loto rehetra, toy ny fako plastika, vato, fasika, mikraoba… Diovina amin’ny fomba simika, tsihifina, fandrotsahana fanafody mamono mikraoba, jerena hatramin’ny lokony. Tokony ho porofoina amin’ny ivontoerana iray, ohatra, tobim-pahasalamana. Anjaran’io ny manome alalana na tsia. Tsy maintsy avy any ambanin’ ny tany kosa vao diovina ny rano amidy amin’ny tavoahangy plastika. Fahatelo, rehefa voamarina fa voadio amin’ny fomba ara-dalàna ny rano, izay vao alefa, zaraina, any amin’ny mpanjifa.

Nanatontosa : R.Mathieu

Partager sur: