Mpampianatra zavakanto : Mifanalavitra ny fahaiza-mampita

Na efa niniana tsy nojerena isan-tsehatra aza ny kanto ampianarina. Miharihary kosa fa mifanalavitra ny fahaiza-mampita ananan’ny mpampianatra zavakanto. Nisongadina io tranga io nandritra ny fihaonana teo amin-dry zareo ireto ny faran’ny herinandro teo, teny Andravoahangy Ambony, misy ny toeram-pampianarana tantanin’ny Valiha Acadé­mie.
Manana hafanam-po ha­no­me aina indray ny kolontsaina sy ny zavakanto ireto mpampianatra ireto. Ao aminy ihany koa ny fahaizana ny taranja ampianariny. Saingy, ilay fomba hampitana izany no mila sy mitaky fanatsarana kokoa hatrany.
Ny fahitana io zava-misy io no nanapahana fa omena lanja sy hatao ho laharam-pahamehana ny fanomezana fiofanana hiompana amin’ny fampitam-pahalalana ho an’ny mpampianatra zavakanto sy kolontsaina. Nahatsapa ny mpizaika fa lesoka ny tsy fahaiza-mampita (fomba fiteny, fahafantarana ny toetran’ny mpianatra, ny fomba fifandraisana amin’ny mpianatra, sns) noho izany, ilaina ny fiofanana.
Anisan’ny hanamora ny fiofanana ny efa fisian’ny mpampianatra sy mpampiofana ao anatin’ity vondron’ny mpampianatra zavakanto ity. Ao ihany koa ireo manana traikefa matanjaka noho ny lalan-davitra efa nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny fampianarana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: