Matoa vanona ny firenena iray. Manan-taranaka vanona izy izay. Matoa manan-taranaka vanona. Manana ray aman-dreny sy mpanabe ary mpananatra vanona. Tsy voatazon’ny Malagasy anefa izany.
Taranaka tsy vanona. Tsy mataho-tody. Tsy mahalala fomba… Saika isaloran’ny ampahana Malagasy ireo mpamari-toetra ireo. Nandray anjara lehibe tamin’izany famotehana ny taranaka izany ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolo saina ary ny fampianarana. Tsy afa-bela ireo izay nisehatra sy nisahana tamin’ ireo andraikitra ireo, hatramin’izay ka hatramin’izao. Anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe isan-tsokajy.
Anisan’ny mahamaika sy mila atao ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ifotony ny fampianarana. Tsy nety sy tsy mety ary tsy hiety amin’ny taranaka malagasy sy ho an’i Madagasikara io misy ankehitriny io. Miainga any amin’ny ambaratonga fototra ka mipaka hatrany amin’ny ambaratonga ambony.
Manana teknisianina sy olon-kendry anti-panahy i Madagasikara
Manam-pahaizana maro. Tsy vitsy olon-kendry sy anti-panahy i Madagasikara. Manana adidy sy andraikitra amin’ny taranany ireny raha atolotra azy ireo ny fahefana sy fahafahana manao izany. Omena endrika vaovao sy hampanarahina ny lamina voajanahary ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Teny malagasy (tenindreny) no hoenti-mampianatra sy mampita fahalalana. Ovaina hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara sy ahafahana mivelatra amin’ny any ivelany ny fandaharam-pianarana amin’ny taranja rehetra. Ampifanarahana amin’izany fanovana izany ny fanamboarana tanteraka ny fotoana ianarana. Fanovana hanaraka ny lamina voajanahary. Tsy tokony hianatra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra, ohatra, ny mpianatra, sns.
Raha arahina sy arindra araka ireo ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Maro ny Malagasy hiala tao anaty habadoana sy hanana kolo saina mivelatra kokoa noho ny hita amin’izao fotoana.
HaRy Razafindrakoto