Ny taona 1963 no namoaka ny kapila mirakitra ilay hira « Le lamba blanc » i Henri Ratsimbazafy. Hira mirona amin’ny gadona sega sy amin’ ny teny frantsay, izay miendrika pi-maso amin’ireo atsy amin’ ny Nosy rahavavy. Nanamafy izany ny namerenan’ ireo mpanakanto renioney maro ity hira ity, ka nalaza indrindra tamin’ireny i Pierre Roseli. Nohamafisin’i Henri Ratsimbazafy tao anatin’ilay hira “Promenade dans Tanà” izay “fitiavana manokana” an’i La Réunion izay.
“Taloha aho tena tonga matetika sy miaka-tsehatra eto. Efa ela izany, ka mahafaly ahy manokana ny mbola tafaverina eto. Fifaliako manokana raha mba ho avy avokoa ireo nijery ny fampisehoana nataoko taloha, hahatsiaro ireny fiarahana ireny”, hoy ny nambaran’i Henri Ratsimbazafy tanatin’ny fanentanana nataony, vantany vao nigadona an’i La Réunion izy.
Mandritra ilay hetsika “Malagasy in Run”, izay efa nanomboka omaly io. Hofaranana amin’ny “Big Show” kosa izany ny zoma 21 izao ao amin’ny Cinépalmes Sainte Marie, iarahana amin’i Henri Ratsimbazafy ary hotronin’i Bodo sy i Mahery.
92 taona, fa mbola mahazaka tsara ny sehatra i Henri Ratsimbazafy. Ho fifaliam-pon’ireo mpankafy azy, sy ho fanehoana fa “mamy indray ny miaina” araka ilay hirany no hanohizany hatrany ny mozika, raha ny nambarany.
Zo ny Aina