Hotanterahina ao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Japon. Ny 22 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora maraina, eo amin’ny « gradin ». Fanehoana fahaizana sy fampahafantarana ny soratra japoney hotanterahin-dRtoa Kouka Awazu. Hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany ka hatramin’ny 12 ora atoandro, amin’io andro sy toerana io ihany. Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Todoroki, mpiangaly vakodrazana japoney, ahitana an’i Koji Kishida mitsoka « flûte traversière » sy Shingo mikapoka amponga lehibe. Hiaka-tsehatra amin’io fotoana io i Dama. Marihina fa mitohy hatrany ny fampirantiana ao amin’ny efitrano malalaka Lapa, ny « Full moonyoshie » miaraka amin’i Yoshie Mochizuki. mpanakanto japoney.
Anisan’ny fomba iray isokafan’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny talenta ny fisian’ny fifanakalozana tahaka izao. Na manana ny mampiavaka azy eo amin’ny kolontsaina sy zavakanto aza ny Japoney. Misy ihany ampahana fitoviana eo amin-dry zareo sy amin’ny Malagasy. Iray amin’ireny ny figadon’ny hira sasany sy ny fomba fampiasana zavamaneno.
HaRy Razafindrakoto