TARATRY ny KANTO

Hifarana ny 1 marsa izao ilay fampirantiana “Memoria : récits d’une autre histoire”, etsy amin’ny Fondation H Analakely. Hisy ny velakevitra manodidina ny fampirantiana, izay hotarihin’ny profesora Ravelomanana Jaqueline, manam-pahaizana momba ny tantara, sy i Céline Seror, niandraikitra ny fampirantiana. Arahina atrikasa manodidina ny fanangonana ireo tadidy hirakitra ho tantara izany.
Hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny zoma 21 febroary izao ihany koa ny ny ivontoeram-pikarohana momba ny Arika sy zavatra ary olona Malagasy (Itazoma) ao amin’ny fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary siansan’ny maha Olona, Oniversiten’Antananarivo. “Tenin’ny tany : antoky ny fanabeazana mahomby, fototry ny fandrosoana mateza” ny lohahevitra mandritra izany. Hatao ao amin’ny Amphi EGS Ankatso io.
Tarika Vaovy, etsy amin’ny NO Comment Bar Isoraka. Hiaka-tsehatra, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ireo zanak’i Gabin Vaovy hamelo-maso ny tarika sy ny sanganasany. Tsy vaovao amin’ny toerana intsony, satria anisan’ireo mpivoy matetika ny mozika antandroy eto an-dRenivohitra ny tarika.
Manohy ny andiam-pampisehoana any ivelany ireo mpanakanton’ny trano mpamokatra Davalt Rwikordz. Taorian’ny fiarahana tany Frantsa, hihazo an’i Allemagne indray ry Ceasar, Pärish ary i Moopcan, hanao seho ny sabotsy izao. Porofo aloha izany fa efa mivelatra ny mpankafy ireto tanora mpanao mozika ankehitriny ireto, izay mazava ho azy fa teratany mala­gasy monina any.

Partager sur: