Lalaina Ravahy, mpanoratra nahavita nandrakitra ireo sanganasany anaty boky « Alitaram-poezia », nivoaka ny faran’ny herinandro teo… Efa azo antoka ny tohiny raha ny nambarany.
Ny sabotsy 15 febroary teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola, no navoaka voalohany ilay boky «Alitaram-poezia» mirakitra ny sanganasan’i Lalaina Ravahy. «Tononkalo notsongaina tao anatin’ny 10 taona nanoratana ny voarakitra ao anatin’ny Alitaram-poezia. Mampanantena aho fa tsy ho ela toy izany ny fivoahan’ny boky manaraka». Io no nambaran’ity mpanoratra sy poeta manana ny mampiavaka azy ity, omaly. Marihina fa mirona kokoa any amin’ny tontolon’ny fitiavana ireo tononkalo anatin’ny «Alitaram-poezia».
Raha tsiahivina, tononkalo miisa 20 mahery no nantsaina nandritra ny famoahana ny boky «Alitaram-poezia». Mitanisa ny fitiavana maroloko, notsinjaraina isan’ambaratongany. Tao ny fitiavana vao mitsiry, mamelana, miredareda ary ny efa rava. Ireo rehetra ireo, noravahin’ny feom-balihan’i Fenosoa Stéphane avy ao amin’ny Zanabaliha (Valiha Académie). Nelanelanina ireo tononkalo natao hira.
Nandray anjara tamin’ny fiantsana ny Fikambanana Soamahatsangy sy ireo fikambanana poeta namana. Anisan’ny nihira teny an-toerana ihany koa i Olivia Gerald, ny tarika Ny Voahary (artiste surprise). Nanotrona ny hetsika ny filoha sy solontenan’ny fikambanana isan-tsokajiny.
Folo taona nanoratana. Nahavita tononkalo maherin’ny 300 i Lalaina Ravahy. Nirona tamin’ny fiainam-pitiavana ankapobeny ny lohahevitra. Ho an’ny boky «Alitaram-poezia» manokana, nambarany fa : «nosafidiana ho lohatenim-boky izy io, satria, tsy tononkalo noforomporonina na namboamboarina fa tena avy ao am-po. Alitara, satria, ny hetsi-po no natao sorona». «Alitaram-poezia», mirakitra tononkalo miisa 136 nofantenana manokana. Ny Fontsy Edisiona no nanonta sy namokatra ny boky. Ireo poeta Hasinaly sy R.H.A Nary kosa no nanao ny teny fanolorana sy famaranana.
HaRy Razafindrakoto