«Sun Ska Festival»: Voaasa handray anjara i Mashmanjaka

Hetsika iray fanao isan-taona any Gironde France, ny «Sun Ska Festival». Efa na­nomboka ny taona1998 no nisy izany ka hatramin’izao. Anisan’ ireo nasaina handray anjara amin’ny hetsika i Mashman­jaka. Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 3 aogositra izao ny andiany faha-28 amin’ny “Sun Ska Festival”. Hiaka-tsehatra hiaraka amin’ireo mpanakanto malaza amin’ny mozika rap, reggae, sns, i Mashmanjaka, mandritra izany. Anisan’ireo efa namaly ny antso ry MC So­laar, Saiän Supa Celebration, Flavia Coelho, Dub Inc, sns.
“Nofinofy ho tanteraka ity”, hoy ny nambaran’i Mashman­jaka, raha nizara ny vaovao tao amin’ny pejiny. Tohin’ny lalany amin’ny mozika, ary valin’ny asa sy ezaka nifoforany kosa anefa izany. Tsy tongatonga ho azy mantsy, fa nisy dingana maro nolalovan’
ity mpanakanto ity, vao tonga amin’izao. Nitondra aina vao ho an’ny rap. Nizara “hazavagna” hatrany, ilay fomba fijeriny nozarainy tamin’ny mozika, ka nampiavaka azy tamin’ny namany i Mashmanjaka. Iray tamin’ireo tao anatin’ny vondrona mpanao rap Makoa i Mashmanjaka, niaraka tamin-dry Shao Boana. Efa tany amin’ny taona 2003 no nisongadina izy ireo, ary nandray anjara tamin’ny tapany voalohany tamin’ny sehon’ireo mpanao rap vahiny tonga ni­sehatra teto : Sean Paul, Saïan Supa Crew, izay hiaraka handray anjara amin’i Mashmanjaka amin’ity hetsika ity.
Rehefa nisafidy ny hizara ny « hazavagna », ka nampifandrohy ny mozika an-tanàn-dehibe sy ny nentim-paharazana, nanomboka namiratra sy voarain’ny mpankafy ny mozikan’i Mashmanjaka. Fa­rany teo, anisan’ny nasongadina nandritra ny «Festival Angare­dona» izy. Handray anjara amin’ny «Festival Antsika Jiaby» any France koa, ary fanombohana ihany ireo…

Zo ny Aina

Partager sur: