Tsenan’ny mozika: Sahirana mitazona ny lazany ireo mpanakanto

Ny mpanakanto manao hira toy ny ahoana no be mpankafy? Ny fijerena ny fironana amin’ny tsenan’ny mozika ihany no mahavaly izay. Ny tsapa aloha, na vetivety aza ny fiakarana amin’ny laza, sarotra kosa ny mitazona izany anatin’ny taona maromaro. Mila mahafehy ny tontolon’ny tsena ireo mpanakanto mpihira.

Asa ny maha mpanakanto manao mozika. Eny, misy ny manao izany ho fialamboly fotsiny, fa efa miroso amin’ny rafitra matihanina kosa ireo mpanao mozika miezaka sy efa mivelona amin’izany. Asa voasokajy ho anisan’ny varotra, satria miankina amin’ny fifandanjan’ny tolotra sy ny tinady izany. Toy ny asa ara-barotra rehetra, miankina amin’ny vola miady ihany koa. Mitaky masontsivana maro, araka izany, ny fanaovana mozika matihanina, izay matetika tsy fantatra na hadinodinon’ireo mpanakanto izay. Any amin’ny famoronana ny tonony sy ny feony dia efa tokony hipetraka ny safidy: hira hatao inona? Ho an’iza? Inona ny tanjona? Sns. Raha toa ka hozaraina amin’ny besinimaro, mba ho be mpankafy, hitarika any amin’ny laza ary ho lasa loharanom-bola ho an’ny mpamorona sy/na ny mpihira, dia misy dingana maromaro tokony harahina hahatongavana amin’izay. Ny tsy fahalalana na fandinganana izany no mahatonga ireo mpanakanto tsy malaza, na tsy mahatana ela ny lazany.

Misy rafitra tokony
hohajaina

Eo ny miditra ny rafitra matihanina, izay tokony hohajaina ho an’ny mpanakanto na tarika te hihodina ela ao anatin’ny tsenan’ny mozika eto Madagasikara. Ny mpanakanto mpamorona, mpihira ary mpitendry manao mozika. Olon-kafa kosa no mikarakara ny tarika (manager). Io no man­damina ny asa amin’ny ankapobeny, mitady ny tsena, manao ny fifanarahana arakasa rehetra, manaparitaka ny hira amin’ny haino aman-jery, mandamina ny fandaharam-potoan’ny fampisehoana, sns. Hafa kosa ny andraikitry ny trano mpamokatra, izay mandray an-tanana ny tarika, ma­nomboka any amin’ny fandraisam-peo sy sary ny hira, ha­tra­ny amin’ny fampisehoana izay mety hiitatra ho fitetezam-paritra. Fifanarahana mazava no mamaritra izany, ary tsy voatery hitohy fa arakaraka ny fandehan’ny tsena.

????????????????????????????????????

Nahoana no malaza kokoa ny avy any Avaratra?

Adihevitra iray nosokafan-dRazafiarison Francis na i Francis Turbo izy ity. “Na­hoana no anjakan’ny mpanakanto avy any avaratra kokoa ny tsenan’ny mozika eto Ma­da­gasikara?”. Voalohany in­drindra, nofaritany mazava fa ny faritra Sava, Diana, Boeny, Sofia, Betsiboka, Analanjirofo ary Atsinanana, izany hoe, faritany Antsiranana, Maha­jan­ga ary Toamasina io na­tam­batra anatin’ny hoe “avaratra” io. Ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao, izany hoe, tao anatin’ny 5 taona dia saika avy amin’ireo faritra ireo avokoa. San­tionany fotsiny ireto: Shyn sy Denise ary ireo ao anatin’ny label Makua En­ter­tainement. Ny ankamaro­an’ireo anatin’ny Davalt Rwikordz, Wawa, Dadi love, Big Mj, Basta Lion, LJo, Rim Kah, Sisca, Smaven, Moop­can, Dalvis, Jazz MMC, Elidiot, Mad Max, Rootsman, sns. Mbola nanaporofo izany fironana izany ny “RDJ Mozi­ka”, nizarana fankasitrahana ho an’ny mozikan’izy ireo. Misy ihany ireo avy any atsimo ao anatin’ny tsena toa an-dry Lico Kininike, Ceasar, Balck Nadia, Oladad, Raouto, Khelene, Sanih, sns. Manam­py ireo avy aty afovoan-tany, toa an-dry AmbondronA, Samoëla, Mage 4, Reko Band, Bolo, Mr Sayda, Wada & Youngs, Njara Mar­cel, sns. Tsy marina manontolo akory fa vokatry ny fanadihadiana fotsiny ity lisitra ity…
Fa ireo no malaza, satria mamaly ny filan’ny tinady ny tolotra. Izay ihany ny fanazavana. Mitambatra ao avokoa na ny tononkira, ny gadona, sns. Tsy any amin’ilay hoe ratsy na tsara na hoe hafa ihany ny taloha ny adihevitra, fa eo amin’izay malaza ka mahazo vola amin’ny mozika amin’izao fotoana izao. Nampiasa vola, nampiasa satratejia ara-barotra dia mahazo tamberim-bola izy ireo. Fa ny zava-dehibe ankoatra izay, manjifa ny vokatr’ireto mpanakanto ireto ny mpankafy azy!

Hafa kosa ny tsena iraisam-pirenena

Mbola manamafy ny voalaza etsy ambony, ny salegy sy ny manodidina azy aloha no tena malaza manerana an’i Madagasikara, hatrany ivelany. Hafa kosa anefa ny fikatsahana ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Saika ireo mpanakanto nisafidy ny mozika nentim-paharazana, na­siam-panatsarana kosa no manjaka amin’izany. Maro amin’izy ireny kosa no mpanakanto avy any atsimo, raha arahana amin’ilay fitsinjarana voalaza etsy ambony.
Ny lakileny? Ilay rafitra ma­tihanina ihany, fa miampy ny fahaiza-mikaroka ny tsena iraisam-pirenena sy ny fivelaran’ny fifaneraserana. Saika tsena ho an’ny firenena mampiasa ny teny frantsay no misokatra sy akaiky kokoa ny Ma­lagasy mpanakanto. Matetika ireo, “festivals” any Afrika sy Frantsa. Ny tsena amin’ny firenena mampiasa ny teny anglisy kosa anefa no misandrahaka bebe kokoa, sy hahazoana vola tsara kokoa. Ta­fiditra anisan’ny tsena ivelany ihany, saingy tsy dia tena tanjona ho an’ny Malagasy mpanakanto ny andiam-pampisehoana ho an’ireo mpiray tanindrazana monina any ivelany, na “diaspora”.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: