Fiarahamonina sy fanabeazana: Mitady ho difotry ny fanatontoloana ny teny ibeazana

Omaly, anisan’ny nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » i Madagasikara. Saika niompana tamina velakevitra sy fifanakalozan-kevitra izany. Nisy ny ampahana hevitra niraisana…

Isaky ny mandalo ny 21 febroary. Mankalaza na manamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » na ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » ny Malagasy. Teny ibeazana, tenindreny, maro sy samy manana ny hanitra ho azy ny faritra eto Madagasikara. Io teny ibeazana (na tenindreny) io ilay ampiasaina hoenti-miresaka, mitaiza, manabe ny taranaka. Iresahan’ilay kitapo ifonosana amin’ny zanany mbola ao am-bohoka. Iresahan’ny reny mandritra ny maha voatavo tsy mifandraka ny sombin’ny ainy. Itafany amin’ny zanany rehefa hary saina izy ireny, sns.
Ankehitriny, mitady ho di­fotry ny fanatontoloana io teny ibeazana io. Iresahan-dreniny amin’ny fiteny vahiny (misongadina indrindra ny fiteny frantsay) ilay menaky ny ainy. Indraindrainy amin’ny anaram-bahiny raha vao mahita masoandro. Iresahany amin’ny teny vahiny, raha vao mibada. Ampianariny mamboaboatra vava sy lela hahay hanonona teny vahiny, raha vao afaka miteny, sns. Satria, ireo notezaina sy nobeazina tamin’ireny, « ambony »?
Ny Frantsay, mampiasa ny teniny (tenindreny, tenindrazany) hanabeazana ny taranany. Ny Malezianina, manabe sy mitaiza ny taranany amin’­ny teniny isam-paritra. Ny Sinoa, manabe sy miresaka amin’ny taranany amin’ny tenindreny ao aminy… Ny ampahana Malagasy (mitombo isa andro aman’alina) manabe ny zanany (ny taranany) amin’ny tenin’ilay firenena nampitondra fangirifiriana ny razany. Nandatsaka anaty kizo ny taniny, sns. Tsy mbola nisy tahaka izany?
Raha mbola kely sy ambilombazana ny fahalalana ananan’ny Malagasy. Ho sarotra amin’i Madagasikara ny hiala amin’io tranga io. Raha mbola « maty » ilay « fanahy maha olona », mbola hanahirana ny Malagasy ny hiaina amin’ny maha izy azy, anisan’izany ny fampiasana ny teniny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: