Kabeson’ny Ampanjaka Toera : Ho tonga eto ny voalohandohan’ny avrily

Kely sisa! Nizotra antsakany sy andavany ny paikady rehetra hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany roa lahy, izay miranty ao amin’ny Musée des Hommes any France, amin’izao fotoana izao. Nisy indray ny fihaonana teo amin’ny fianakavian’ny Ampanjaka sy ireo olobe Sakalava, niaraka tamin’ireo olom-boafidy avy amin’ny faritra Menabe ary ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ny alakamisy teo. Ma­hakasika indrindra ny tokony hatao amin’izay fampodiana ireo kabeso izay ny lahadinika. Fantatra mantsy fa tokony amin’io voalohandohan’ny volana avrily io no ho tonga eto Madagasikara izany, rehefa tontosa hatramin’ ny farany ny dingana rehetra amin’ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta.
Hivoaka amin’ny herinandro voalohan’ny volana marsa ny didim-panjakana frantsay, mamaritra izay fifanarahana izay, satria efa tafiditra ho lahadininika nandritra ny « Conseil d’Etat » izy io. Efa navoaka nandritra ny fikankevitry ny minisitra teto Mada­gasikara kosa ny fankatoavana ny dingana rehetra hatao. Aorian’ny fanamarihantsika ny andron’ny 29 marsa kosa no hakana ireo kabeso, ka hanaovana ny lanonana mifanaraka amin’izany. Hisy ny lanonam-panjakana, amin’ny maha mariky ny fifandraisana ara-diplomasia eo amin’ny firenena roa tonta azy. Hisy koa anefa ny lanonana ara-drazana izay hotontosaina any Menabe, amin’ny maha mpanjaka Sakalava izay mbola dimbiasin-taranaka ny Ampanjaka Toera. Fantatra ihany koa fa mety ho avy aty Madagasikara mihitsy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, amin’io fotoana io, amin’ny maha zava-dehibe izany famerenana harembakoka izany.

Zo ny Aina

Partager sur: