« Foko iray », anarana nasalotra ny hetsika momba ny lamaody notanterahin’i Sih Rakout tany Etazonia. Dingana lehibe ny tontosan’ity Malagasy mpamorona sy mpikaroka momba ny lamaody ity. Tao anatin’ny hetsika roa notanterahin’i Sih Rakout tany Washington sy New Work no nahitan’ny Malagasy monina any an-toerana sy ny Amerikanina fa « manana mpamorona sy mpikaroka momba ny tontolon’ny lamaody, mendrika sy itoeran’ny traikefa matanjaka i Madagasikara ».
« Foko iray », nametraka ny « vita malagasy » teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanehoan’i Sih Rakout ny fahaiza-manaony eo amin’ny famoronana lamaody ho an’ny lehilahy, ho an’ny vehivavy. Ahitana fiombonana am-po ho an’ireo izay mianjaika ao anatiny. Tany Etazonia no namoahany izany voalohany.
Raha tsiahivina, anisan’ny mametraka ho zava-dehibe ny fikarohana i Sih Rakout. Omeny sehatra lehibe amin’izany ireo akora fototra misy eto Madagasikara. Ireo no mitambatra no mametraka ny sanganasany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
HaRy Razafindrakoto