TARATRY ny KANTO

Ho fanamarihana ny « Iray volan’ny poezia ». Hotanterahina ao amin’ny Parc botanique Tsimbazaza, ny alahady 2 marsa izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika « Tsy mba zaza ». Sady fifampiarahabana tratry ny taona ho an’ireo mpiangaly asa soratra izy io no hanoloran’izy ireo antsa samihafa ihany koa.
Hivoaka tsy ho ela ny andiany faharoa amin’ ny boky « Valihan’Ikaky ». Hanana endrika famintinana izay voarakitry ny laharana faharoa izy ity, sady hanohy sy hampita lesona vaovao. Tafiditra ao anatiny ny fahalalana iraisam-pirenena momba ny mozika sy fanolorana sy fanokafana tsikelikely momba ny maha « fanahy » ny valiha.
Manana ny maha izy azy ny mpamorona. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ny fanatanterahina ny fihaonan’ny mpamorona samy mpamorona (zavakanto), ny faran’ny herinandro teo. Na izany aza, nanaiky ny rehetra fa ilaina ny mianatra sy mandalina mba tsy hijanona eo amin’ny sehatra mihidy ny zavakanto malagasy.
Hanana endrika miavaka ny hanamarihana ny « Volan’ny poezia » ho an’ny mpanoratra zandriny sy tsy mbola ao anaty fikambanana. Any amin’ny sekoly misy azy ireo ry zareo no hanatanteraka ny hetsika manandrify azy. Anisan’izany ny fiantsana tononkalo, velakevitra isan-karazany. Napetrak’ireto mpanoratra vao erotrerony ireto fa : « ny fifampizarana no hamoha ny talenta ».

Partager sur: