Banky iraisam-pirenena – MFFT : Manohana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe

Mamita iraka eto amintsika ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, tarihin’i Catalina Marulanda. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, izy ireo, omaly, tetsy Anosy.

Hijery ny fampiharana ny tetikasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe ireto delegasionina ireto. Eo koa ny tombana amin’ny fahavitan’ny dingana fa­haroa amin’izany tetikasa izany sy ny fitantanana ny fako ho an’Antananarivo sy ny manodidina “Grand Antanana­rivo”. Voaresaka tamin’izao fihaonana izao ny fanohanana ny fitantanana ny fananantany an-tanàn-dehibe sy ny fitantanana ny loza voajanahary. Efa miroso ho amin’ny fankatoavana ny fanohanana ireo ta­nàn-dehibe sokajy faharoa koa ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ka iarahana miasa amin’ireo minisitera samihafa sy ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana izany.
Etsy andaniny, nanatanteraka atrikasa fakan-kevitra teo anivon’ny koamitim-paritra mo­mba ny fanajariana ny tany, tao amin’ny kaominina Ambo­vombe, renivohitry ny faritra Androy, ny iraky ny minisitera, MFFT, ny herinandro teo.

Hanarahana ny fenitra sy ny hetaheta eny ifotony
Nentina nanangonan-kevitra an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra ary ny sampandraharaham-panjakana ao amin’ny faritra Androy. Natao izany mba hanarahana ny fenitra sy ny hetahetan’ireo miasa eny ifotony ka hifandraika amin’ny zava-misy eny anivon’ny kaominina.
Eo koa ny hampifanarahana izany amin’ny politikam-paritra sy isan-tsehatra ary indrindra ny an’ireo mpiara-miombon’antoka ho fanatanterahana ny drafi-panajariana ifotony amin’ireo kaominina miisa valo. Anisan’izany ny any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Beloha, Tsihombe, Tranoroa, Betanty Faux Cap, Ambondro, Antanimora Sud, Andalatanosy, Ampamata.

Synèse R.

Partager sur: