Niarahaba ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny governemanta manontolo, tarihin’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, amin’ny nahavoahosotra azy ho « Mpitarika politika afrikanina mendrika ho an’ny taona 2024 » izao. “Maro ireo vina sy fanambin’ny fampandrosoana napetrany amin’ny sehatra rehetra ho an’ny vahoaka”, hoy ny fanambarana.
Hotanterahina, anio, ao amin’ny kaominina Mandrosoa, Mandrosohasina, distrikan’Andramasina, ny fanitrihana ny nofo mangatsiakan’ny ben’ny Tanàna, Rasazy Narindra. Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Tanàna ao an-toerana fa hisaona ny kaominina ka hampidinina eo amin’ny antsasany ny saina amin’ireo biraom-panjakana rehetra.
Nidina ifotony nijery ny ranobe nahazo ireo mponina noho ny ora-nikija etsy amin’ny boriborintany fahatelo ny depiote Ralambomanana Feno, sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly. Hita tamin’izany fa maro ireo tokantrano dibo-drano tanteraka. Nanambara ity solombavambahoaka voafidy eny an-toerana ity fa handray andraikitra hanampy ny mponina.
Nampahery sy nitondra teny fampiononana ireo fianakaviana etsy Ilanivato Ampasika ny depiote Randriamasinoro Ny Riana, ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa olona telo no maty vokatry ny fianjeran’ny rindrin-tany tamin’ny tranon’ny fianakaviana iray teny an-toerana. Tsy tao an-toerana ny raim-pianakaviana ny alina nisehoan’ny loza…