Nodiovina farany ny renirano Sisaony tamin’ny taona 1991, tamin’ny andron’i Norbert Lala Ratsirahonana. Taloha, rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra, mahatratra hatramin’ny 4 – 7 metatra ny halalin’i Sisaony. Mbola nisy ny course lakana teo anivon’ny kaominina, tamin’izany andro izany, raha ny nambarany. Tsy misy intsony izany satria manary fako anatin’ny renirano ny olona. Tsy mivoaka ny rano noho izany ka mahatonga ny fiakaran’ny rano. Eo koa ny tsy fisian’ny fanadiovana ny reniranon’i Sisaony, raha ny fanazavana voaray. “Vahaolana maharitra ny fangadiana ny reniranon’i Sisaony mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara”, hoy ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika. Manomboka eny Soavina ary mipaka eny Fenoarivo, no tokony hanaovana io fanadiovana io, mba hanafaingana ny fandehanan’ny rano. Etsy ankilany, entanina koa ny mponina rehetra mba tsy hanary fako eny anivon’ireny tatatra sy renirano ireny, mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara.
Vitsy kokoa ny isan’ny
traboina
Ny tondradrano tsy maintsy misy foana isan-taona. “Ho an’ ny kaominina Ampitatafika manokana, vitsy ny isan’ny mponina traboina tamin’ity taona 2025 ity, raha oharina tamin’ireo taon-dasa hatramin’izay nisian’ny kaominina Ampitatafika izay”, hoy ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Nisy fotoana tao anatin’ny 16 taona nitantanana ny kaominina, efa tafakatra hatramin’ny 4 000 isa ny traboina. Tamin’ity, manodidina ny 700 isa izy ireo, eny anivon’ny kaominina Ampitatafika, raha ny fanisana farany natao. Iray amin’izy ireo ihany ny olona rava trano, raha ny tatitra voaray. Antony nahatonga izany ny tsy nahavaky ny fefiloha izay misy tanimbary lehibe, any amin’ny tapany atsinanan’Ampitatafika, misy ifandraisan’Ampitatafika sy ny kaominina Soavina, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, misy ireo olona milaza tsy tafiditra ao anatin’ny toerana. Te hisitraka ireo fanampiana fotsiny ireny olona ireny, raha ny fanazavana hatrany. Manodidina ny 100 isa ireo olona ao anaty efitrano fandraisana traboina iray, eny an-toerana. Niavaka ny fandraisana an-tanana ireo traboina tamin’ity taona ity. Anisan’izany, ny hakingan’ny tale jeneralin’ny BNGRC. Nisaotra ny tomponandraiki-panjakana, manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny minisitra nandray an-tanana ary indrindra ny tale jeneralin’ny BNGRC ny ben’ny Tanàna. Kinga sy havanana izy ary voafehiny tanteraka ny asa, tena afapo tanteraka izahay mpitantana eny ifotony.
Tsy alefa mody ny traboina
Tsy mila alefa mody any an-tranony ny traboina, raha ny traikefa anananan’izy ireo. Misy mangalatra ny entan’izy ireo na avo be aza ny rano tafiditra ao an-tranony, ka maniraka ny tenany handeha hody hoazy ny fisian’ny olona mangalatra ny entana any an-tranony, raha ny fanazavana voaray. Na dia mbola 10cm eo amin’ny tongony aza ny rano miditra ao an-tranony. Mahatonga azy ireo miverina ny fisian’ny fanomezana sy fanampiana ara-tsakafo ho an’ny traboina amin’ny andro atoandro. Miverina mody haingana izy ireo rehefa azony ny fanampiana.
Fandaminana ny urbanisme no tokony hatao
Maro ireo olona manorina trano tsy ara-dalàna eto amin’ny Nosy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina, raha ny zava-misy. Misy ireo manorina trano amoron-dalana, amoron-drano na eny amin’ny fefiloha. Tsy mbola nisy “permis” iray navoakan’ny kaominina mahakasika ny fanorenana azy ireny, tao anatin’ny 16 taona nitantanana, raha ny nambarany. “Manorina trano ireny olona ireny amin’ny andro alina raha ny zava-misy ary efa miakatra ny tamboho”, hoy hatrany izy. Araka ny andinin-dalàna lah 2015-052, izay manambara fa afaka harodana ny trano niorina tsy nahazo alalana rehefa mahazo ny fankatoavan’ny filankevitry ny kaominaly. Ilazana intelo ilay olona ary afaka miroso amin’ny fandrodanana ny kaominina. Na eo aza anefa ny lalàna, tsy miroso amin’ny fandrodanana ireny fanorenana ireny ny kaominina. Matoa anefa izy ireny manorina tsy ara-dalàna, dia noho ny fahasahiranana lalina sy ny tsy fananana tany hanorenana, raha ny nambaran’ny ben’ny Tanàna hatrany. Tsy fantatra mazava ny toerana hamindrana sy handehanan’ireny olona ireny rehefa ravaina ny trano fonenan’izy ireo. “Heverina fa ny fanampiana azy ireny ny vahaolana tsara indrindra tokony hatao, eo koa ny fandaminana ny urbanisme ao anatina tanàna kely”, hoy hatrany izy. “Tsy tonga ben’ny Tanàna izahay raha tsy ireny olona ireny no nifidy anay ary ilaina ny mihaino ny fitarainan’ny vahoaka”, hoy izy nanamafy.
Nanatontosa : Mino