Depiote Rajerison Antoine : “Mila tetibola ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro”

“Ny fanjakana mampiasa ny volam-bahoaka amin’izao tokony hametraka hoe: mety hisy fotoana tsy ilatsahan’ny orana ao anatin’ny herintaona, mety misy ny fotoana latsaka ihany ny orana fa efa tratra aoriana be toy izao”, hoy ny depiote Rajerison Antoine

“Ny fanjakana mampiasa ny volam-bahoaka amin’izao tokony hametraka hoe: mety hisy fotoana tsy ilatsahan’ny orana ao anatin’ny herintaona, mety misy ny fotoana latsaka ihany ny orana fa efa tratra aoriana be toy izao ary avy mivatravatra, ary mety hisy fotoana mety ho avo folo heny noho izay mirotsaka amin’izao ny orana ao anatin’ny taona iray. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izany rehetra izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Fiovana ivoaran’ny eny ifotony (Fivoi) tany Arivo­nimamo, Rajerison Antoine, tany Ambatonapoaka, omaly, ny amin’ny fiatrehana fanovana amin’ny alalan’ny fambo­lena.

Ny fanomanana tetibola goavana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro no tokony hatao voalohany hampiasaina amin’ny fifehezana sy fitantanana ny rano. Mbola miandry rotsakorana ny tantsaha rehetra vao afa-mamboly. Tsy mbola voafehy ny fampidiran-drano eny an-tanimbary. Ahoana ny hifehezana ny rano ? Manomana tetibola handamina sy handrindra ny fitantanana ny rano amin’ny fambolena. Tokony hisy ny fananganana ny fitehirizan-drano na tohodrano: tsy avela ho very fotsiny, ohatra, ny ranonorana, fa angonina
amin’ny toerana iray. Vohaina izany hanondrahana mialoha ny tanimbary rehetra mihantona fa tsy mirotsaka ny orana; rehefa tafahoatra ny orana, vohaina anariana koa izany sao mihoatra.
Tanjona ny hifehezana tsara ny rano. Mila tetibola izany rehetra izany, ary ilaina ny manao tohodrano be dia be amin’izay fifehezana rano izay hahazoana manondraka tanimbary.

R. Nd.

Partager sur: