FANTINA sy FINTINA

Nivoaka ny fonja, afakomaly, i Manandafy Mahery Lanto, araka ny nambaran’ny vadiny, Rakoto Samuel Doris, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza fa efa nanaraka fitsaboana teny amin’ny HJRA amam-bolana izy noho ny tsy fahasalamany. Tsiahivina fa voasazy roa taona am-ponja i “Malama” rehefa nanala baraka teratany vahiny iray.
Nametrahana samboady ireo ben’ny tanàna miisa 53 any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena, ny 22 febroary teo. “Manamarika ofisialy sy ara-dalàna ny fandraisana andraikitra ho amin’ny fampandrosoana izao”, hoy ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis, nitarika izany tany an-toerana.
Niofana momba ny fandrafetana tetibola sy ny fitantanam-bola ireo ben’ny tanàna avy amin’ny distrikan’Ankazobe sy Andramasina ary Avaradrano, omaly, tetsy Ankazomanga. Anisan’ny nampitaina amin’izy ireo koa ny momba ny fampidiram-bola sy ny famoahana izany ary koa ny momba ny fitantanana fitaovana na fananan’ny kaominina.
Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, tetsy Anosy, afakomaly. Nifanakalozana hevitra tamin’izany ny fitohizan’ireo tetikasa sy ireo efa an-dalana. Eo koa ny hijerena ny angovo sy ny kolontsaina ary ny fitaterana.

Partager sur: