Praiminisitra Ntsay Christian : “Tanjona ny hisian’ny filaminana maharitra”

Tato ho ato, nafanafana ratsy ny tsy fandriampahalemana. Amin’izany, tanjon’ny fitondram-panjakana ny hisian’ny filaminana maharitra. Laharam-pahamehana ny fa­mongorana ny asan-jiolahy manohintohina ny fiainam-bahoaka.
“Tanjona ny hisian’ny filaminana maharitra ho an’ny firenena manontolo”, hoy ny hafatry ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fivoriana niarahany tamin’ireo jeneraly vaovao 35 nahazo laharam-boninahitra taona 2024, teny Mahazoarivo, araka ny fampitam-baovao omaly. Noho izany, ilaina ny herijika sy ny hafanam-po avy amin’ny tomponandraikitra. Eo koa ny toe-tsaina mivoatra sy mivelatra hanatanterahana izay tanjona izay. Ilaina apetraka ny fanovana amin’ny fampanjakana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena. “Vato nasondrotry ny tany ianareo ka manana adidy sy andraikitra lehibe tsy maintsy atrehina miaraka amin’ireo fanamby goavana miompana amin’ny ezaka rehetra itondrana fiovana lalina eo amin’ny fitantanana ny firenena”, hoy ny Praiminisitra.
Noho izany, laharam-pahamehana ny famongorana ny asan-jiolahy manohintohina ny fiainam-bahoaka. Eo koa ny fanohizana ny famaliana ny hetahetan’ny mponina amin’ ny faritra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Notsia­hiviny fa zava-dehibe hatrany ny maha tomponandraikitra amin’ny laharam-boninahitra misy azy ireo. Noho izany, manana adidy amin’ny fandavorariana ny fitantanana ny firenena ao anatin’ny fahitsiana sy ny fahaiza-manao ary fitiavan-tanindrazana izy ireo. Ireo ny soatoavina telo lehibe mibaiko amin’ny fitondrana fampandrosoana mivantana amin’ny vahoaka izay nanome fahefana. Nanatrika izany ny minisitry ny Foloalindahy sy ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: