Andrianainarivelo Hajo: “Tokony hahay haka lesona ny mpanohitra”

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TeleSud, any Paris, afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nitondrany ny fomba fijeriny ny fiainam-pirenena ankapobeny ka anisan’izany ny lafiny politika.

Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny fanoherana. Hita ireny ny vokatra ka tokony hanavao ny firafitra sy ny vina ary ny fomba fijery ny rehetra. “Haka lesona tamin’ireny ny mpanohitra ary tokony hiaiky fa tsy nirindra, tsy nifanaraka tamin’ireny fifidianana ireny”, hoy izy. Natsidiny fa ilaina ny vahaolana mitombina sy azo tanterahana raha handimby ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Mizotra mankany amin’izany ny antoko tarihiny, araka ny nambarany hatrany.
Fotoana koa izao hametrahana politikam-pampandrosoana matotra mifanaraka amin’ izao fiovana ara-toekarena sy ara-politika maneran-tany izao. ”Tsy tokony hiankindoha lava amin’ny any ivelany isika”, hoy izy.
Nohitsiny koa fa misy olana ny lalàna. Fa eo koa ny fiovaovan’ny fampiharana izany. Tonga hatrany amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izany ary mitaintaina ny vahoaka, araka ny nambarany. “Tsy azo antoka ny fampiasam-bola ka tokony hahitsy sy hatsaraina izany”, hoy ihany izy.

Tany tan-dalàna
Nanteriny fa ilaina ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy andrimpanjakana azo itokisana ary manao ny asany sy azo ianteherana. Mba tsy ho izy ireo indray no hanaratsy endrika ny firenena. “Nampiseho fitongilanana ireo rafitra ireo tamin’ny fifidianana telo nifanesy ary niandany ho an’ny tombontsoan’antoko iray. Nandiso fanantenana nefa tokony ho arofanina”, hoy izy. Manoloana izany, nanteriny fa fotoana izao hamaritana sy hanitsiana ny tondrozotra sy ny fomba fijery.
Ankoatra izany, notsiahiviny fa efa nandefa taratasy fangataham-panazavana momba ireo tetikasa lehibe ataon’ny fitondram-panjakana ny MMM mba tsy handanindaniam-poana ny vola ary koa ny mba hampiasana ny volam-bahoaka hamaliana ny filàna andavanandrony.

Synèse R.

Partager sur: