CUA sy ny Banky iraisam-pirenena : Nanaovana tombana ny tetikasa Produir

Noraisin’ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo, Rama­nan­tsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Anala­kely, omaly, ny iraka manokana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, Catalina Maru­landa. Anisan’ny iandraiketany ny sampandraharaha mo­mba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, ny fananan-tany ho an’ny faritra Afrika Atsi­nanana sy atsimon’i Afrika.
Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ankilany ny momba ny fandaharanasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe. “Efa eo amin’ny dingana famaranana izany amin’izao fotoana izao ary nahazoana vokatra maro. Nisitraka tombontsoa manokana tamin’izany ny mponina sy ny renivohitra, Antananarivo”, hoy ny ben’ny Tanàna, Ramanan­tsoa Harilala. Natsidiny sy nangatahiny ary maniry ny tenany ny hanohizana izany fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena izany, in­drindra amin’ny fandaharanasa isitrahan’ny mponina sy ny tanànan’Antananarivo tombontsoa, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa efa avy nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, ireto delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ireto. Voa­resaka tamin’izany ny fanohanana ny fitantanana ny fananan-tany an-tanàn-dehibe sy ny fitantanana ny loza voajanahary. Hiroso amin’ny fankatoavana ny fanohanana ireo tanàn-dehibe sokajy faharoa koa ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ka iarahana miasa amin’ireo minisitera samihafa sy ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana izany.

Synèse R.

Partager sur: