“Mifamatotra amin’ny hevitra momba ny fahafahana ny demokrasia. Ny famaritana tsotra indrindra dia hoe: governemantan’ny vahoaka, ny fiandrianam-pirenena dia apetraka amin’ny vahoaka ary ampihariny mivantana na ataon’ny solontenany voatendry mandritra ny fifidianana. Araka ny tenin’i Abraham Lincoln, ny demokrasia dia governemanta an’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka”. Esorina ny fahefana tsy avy amin’ny vahoaka”. (1) Izay ny famaritana iray ny amn’ny hoe demokrasia.
Fitambaran’ny teny grika roa, demos (vahoaka) sy kratein (mitondra) no nahazoana ny hoe demokrasia. Fitondran’ny vahoaka izany, na hoe fitondran’ny maro anisa. Araka izany, miala amin’ny fanjakan’olon-tokana (monarsia) sy ny fanjakan’andriana (aristokrasia) ary ny jadona ny hoe demokrasia. Ny tenin’i Abraham Lincoln no tena ampiasaina indrindra saika maneran-tany amin’ny famaritana ny hoe demokrasia: “Fitondran’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary ho an’ny vahoaka”. Raha adika izany dia hoe avy amin’ny vahoaka ny fitondrana, an’ny vahoaka ny fitondrana, izy no mampandeha azy ary ho amin’ ny tombontsoany ihany koa ny ampiasana azy.

Malalaka ny olom-pirenena amin’ny demokrasia
Ara-tantara, ny demokrasia atenianina niorina tamin’ ny taonjato faha-V hatramin’ ny taonjato IV talohan’i JK. BC tany Gresy no hoe nisian’ny endrika demokrasia voalohany. Ry zareo no namorona ny foto-kevitry ny demokrasia. Foto-kevi-dehibe tamin’izany ny hoe “isonomia” na ny fitovian’ny zo ara-politika. Teo koa ny hoe “isegoria” na ny fahalalahana handray anjara amin’ny fiainana ara-politika. Nalalaka ny olom-pirenena naneho ny safidiny mivantana tamin’ny Eklesia tamin’izany. Teo koa ny fijoroana ho mpirotsa-kofidina tamin’ny fanaovana antsapaka na ny fifidianana mpitsara. Noho izany, rafitra na endri-pitondrana mifangaro ny hoe demokrasia. Nifototra tamin’ny fomba fanehoana telo: fanaovana antsapaka, fifidianana ary fanoloran-tena.
Taty aoriana, ny governemanta solontena na ny demokrasia solontena nipoitra nandritra ny revolisionina amerikanina sy frantsay no endrika isehoan’ny demokrasia. Mifototra amin’ny fisoloan-tena amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka izany. Manaiky ho tantanan’ny olom-boafidy ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka. Ny fisaraham-pahefana kosa no foto-kevi-dehibe amin’ny demokrasia amin’izany: ny fahefana manao lalàna, ny fahefana manatanteraka, ny fahefana mitsara. Mifandrohy amin’izay, misy lafin-javatra dimy ireo fototra na andry iorenana sy ampiorenana ny demokrasia amin’ny maha endri-pitondrana na fitondrana ara-politika azy. Eo ny fanajana ny fahalalahana fototra, ny fisaraham-pahefana voalaza teo aloha, ny fanaovana fifidianana malalaka ara-potoana, ny fiandrianam-pirenena, ny fahasamihafana na ny fahamaroan-kevitra politika.
Maro ny endrika isehoan’ny demokrasia
Maro ny endrika isehoan’ny demokrasia toy ny demokrasia mivantana, demokrasia solontena, fitondrana parlemantera, fitondrana filoha, fitondrana mifangaro… Ny demokrasia roa voalohany ihany no asian-teny fohy. Ny demokrasia mivantana no endrika tsotra indrindra amin’ny demokrasia: ny vahoaka no mitana fahefana, mampiasa izany tsy misy mpanelanelana. Afa-maneho hevitra malalaka ny olom-pirenena amin’izany, manolo-kevitra sy manapa-kevitra. Tsy hita afa-tsy amin’ny vondrona sosialy madinika misy fifampidinihana haingana io endrika demokrasia io: fivoriamben’ny fikambanana na fivoriambem-pokonolona, ohatra. Arakaraka ny haben’ny vondrona no ilàna ny fanendrena solontena. Amin’ny demokrasia solontena kosa dia ny olom-pirenena no manolotra ny fiandrianany rehetra amin’ny solontena fidiny hisolo tena azy. Izay endrika demokrasia mifototra amin’ny fifidianana izay no tena miparitaka maneran-tany ankehitriny.
Notontosain’i R. Nd.
Hoy izy ireo
“Ny demokrasia, araka ny hevitro momba azy, dia tokony hiantoka ny malemy indrindra amin’ny fahafahana mitovy amin’ny matanjaka. Ny tsy fisiana herisetra ihany no ahazoana manatratra izany tanjona izany”. (Gandhi)
“Raha raisina antsakany sy andavany ny teny, tsy mbola nisy ny tena demokrasia, ary tsy hisy mihitsy”. (Jean-Jacques Rousseau)
“Ao amin’ny demokrasia, ny tanjaky ny hevitra no zava-dehibe”. ( François Bayrou)
“Ny demokrasia, tsy lalàn’ny maro anisa, fa fiarovana ny vitsy anisa”. (Albert Camus)
“Hevitra mendri-kaja ny fametrahana ny demokrasia amin’ny firenena rehetra maneran-tany, nefa iza no milaza fa io no rafitra tsara indrindra ho an’ny firenena rehetra?”. ( Clint Eastwood)