Nitondra fanazavana amin’ ny nahazoan’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara nahavoafidy azy ho mpitarika politika Afrikana mendrika 2024, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, omaly. “Nandalo masontsivana ny fisafidianana eo anivon’ny African Leadership Magazine, ankoatra ny safidy avy amin’ny daholobe”, hoy izy. Nanteriny fa manana vina eo amin’ny haitarika, sahy miroso amin’ny fanovana, ary mametraka tetikasam-panovana samihafa ho fampandrosoana ny firenena ny filoha Rajoelina Andry.
Anisan’izany ny fanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo – Toamasina. Ny tetikasa téléphérique fanalefahana sy fanatsarana ny fifamoivoizana. Ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, tombony ho an’ireo tantsaha amin’ny famoaham-bokatra. Manampy izany ny fananganana ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka: sekoly, hopitaly…
Ankoatra izany, misongadina ny filoha amin’ny fiarovana ny tombontsoan’i Afrika isaky ny fandraisam-pitenenana ataony. “Nitaky ny fametrahana ny “Fonds vert pour le climat”, tokony ho arotsak’ireo firenen-dehibe mpandoto ny tontolo iainana ho an’i Afrika iharan’ny loza voajanahary noho ny fahasimban’ny tontolo iainana “, hoy izy. Nirotsaka tao anatin’ilay “Zone de libre échange continentale africaine -Zlecaf”, hanamorana ny fifandraisana ara-barotra aty Afrika, i Madagasikara
Eo koa ny antson’ny filoha ho amin’ny firaisankina eo amin’ny samy firenena afrikanina isaka ny fivoriana atrehiny.
Synèse R.