Fivorian’ny COI hatao eto Madagasikara : Manomana ny fahatongavan’ny filoha frantsay ny MAE

Efa miroso tsikelikely ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ka handraisana ireo filoham-panjakana maromaro eto amintsika.

Araka izany, niompana amin’ny hitsidihan’ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron eto Madagasi­kara ny fifampiresahana an-telefaonina teo amin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitra misahana an’i Eo­ropa sy ny Raharaham-bahiny frantsay, Jean-Noël Barrot, omaly. Hitsidika ny atsy amin’ ny Nosy La Réunion sy ny Nosy Maorisy ny filoha Macron mialoha ny fivoriana ary higadona eto Madagasikara ny 24 avrily ho avy izao. Anisan’ireo filoham-panjakana hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny COI hatao eto amintsika ny filoha frantsay amin’io fotoana io.

Efa mamaramparana ny fikarakarana…

Etsy andaniny, efa mamaramparana ny fikarakarana sy ny fanomanana izany fivoriana lehibe hatao eto Madagasi­kara izany ny komity mpanomana, tarihin’ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Efa tafatsangana ireo vaomiera samihafa iraisan’ireo minisi­tera, hisahana ny fandraisana izany fihaonana an-tampon’ny COI izany. Efa tonga teto amintsika koa ny delegasion’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny kaomorianina, nijery ny fanomanana rehetra. Efa nialohavan’ny fivoriana nampitain-davitra koa izany, niara­han’ny avy amin’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny sy ny sekretera jeneralin’ny COI. Nahafahana namarana ny antontan-taratasy ara-teknika sy ny votoatin’ny fihaonana an-tampony hatao eto Anta­nanarivo, ny 24 avrily ho avy izao avokoa izany.

Synèse R.

Partager sur: