Jly Ravalomanana Richard : “Ohatra ho an’ny mpanao politika Avaradrano”

Notanterahina omaly ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 16 eny amin’ny distrikan’Avaradrano. Nanafatra sy nanome toromarika azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ ny lahateniny.

“Mahavelombolo ny mahita ny firaisankina asehon’ireo ben’ny Tanàna na samy ma­nana ny firehan-kevitra politikany aza. Ohatra tsara azon’ireo mpisehatra politika rehetra alain-tahaka izao”, hoy izy.
Nanentana azy ireo ny filohan’ity andrimpanjakana ity mba hanao ny asan’izy ireo amim-pahamarinana ary ha­metraka fahatsiarovana tsara amin’ny tanàna mandritra ny fitantanana ny kaominina. Naneho fahavononana hiara-kiasa amin’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fanomezana tantsoroka sy fampitana ny fitarainana na ny hetahetan’izy ireo any amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany. Anisan’ ny mpiahy voalohany ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana rahateo ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, araka ny nambarany.

Notolorana lelavola avy ireo ben’ny Tanàna

Nanteriny fa tokony hahay hiara-hiasa amin’ny fanjakana ihany koa ireo ben’ny Tanàna tsy ankanavaka. “Antoky ny fampandrosoana ny kaominina izany ary tsy misy ny fampandrosoana ny firenena raha tsy mandroso ny kaominina tsirairay avy”, hoy izy.
Etsy andaniny, nanolotra tsodrano amin’ny alalan’ny lelavola ho azy 16 mirahalahy mianaka ity filohan’Andriman­jakana ity ho fanampiana azy ireo amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny avy any amin’ ny kaominina hiadidian’ireto ben’ny Tanàna ireto.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny loholona isany, Rabetsaroana Sylvain sy Rakotondrainibe Andria­nan­te­naina Michel ary i Lalatiana Rakotondrazafy. Teo koa ireo mpikambana sasany amin’ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: