Ady mivady nitera-doza : Peugeot 205 nivadibadika teny amin’ny Rocade

Simba tanteraka ny fiara 205 Peugeot iray sy fiara roa hafa niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny Rocade Iarivo, teo anelanelan’Ankerena sy Ambohima­hitsy, omaly maraina. Anisan’ ireo nitondra fiara tsy mataho-dalana voakasik’io voina io, i Paolo Raholinarivo, izay Tale eo anivon’ny BNGRC. Araka ny fitantarany ny zava-nitranga, nihoa-pefy tamin’ny ha­fainganam-pandeha ilay fiara kely 205. Tsy na­hafehy ny familiana ny mpamily ka nivadibadika teny afovoan’ny arabe io fiara io. “Nandeha mafy be teo alohako io fiara io. Nivadika inefatra nisesy izy ka tsy maintsy niala izany aho ary nivily niankavanana”, hoy ny fanazavan’i Paolo Raholi­narivo. Nidona mafy tamin’ny sisin’ny rocade ny fiara nentiny. “Naleoko niala ilay fiara 205 tsy hahafaty olona. Ny tenako no voa, araka ny fanamafisany. Nipo­tsaka ny “Air-Bag” tao anatin’ny fiara ka antony tsy naharatra azy nandritra ny voina. Na izany aza, voadona ny faritry ny tratrany sy ny tarehiny. Ankoatr’ireo, fiara iray hafa koa lasibatra tamin’io fotoana io. Niadivam-badiny ilay mpamilin’ny fiara 205, raha ny fanazavan’ny iray tamin’ireo niharan-doza. “Karazan’ny na­mono tena izy fa tsy maty raha ny fahitako azy”, hoy ny loharanom-baovao. Nitera-doza ho an’ny mpampiasa lalana hafa anefa io fihoaram-pefy nateraky ny fandehanana mafy loatra io. Tsy nisy aina nafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny Rocade ity. Nifanam­py nanavotra ireo tra-doza ny mponina nanatri-maso teny an-toerana. Marihina, matetika hi­trangana lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalan’ny Rocade Iarivo. Lehilahy mpivaro-mofo amin’ny kalesa, maty voafaokan’ny fiara teny an-toerana teo amin’ny Rond-point By-pass, ny faran’ny herinandro teo. Nandositra ilay fiara tsy mataho-dalana na­havanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: