FANTINA sy FINTINA

Tompondaka amin’ny fahaizana mamono afo, manoloana ireo toe-draharaha mafana eto, ny fitondrana Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny “Cellule de Crise Diovy i Madagasikara”. Nanterin’ izy ireo fa endrika famonona afo no andikana ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika ho mpitarika politika mendrika aty Afrika.

Nametra-pialana tsy ho sekretera jeneralin’ny Fiombonana intsony i Durlin Retogniane, araka ny nambarany ny herinandro teo. Notsindriny koa fa hiala tanteraka amin’ny sehatra politika ny tenany, manomboka izao. “Hifantoka amin’ny sehatra hafa aho ary vonona hatrany hitondra ny anajara biriky eto amin’ny firenena”, hoy izy.

Namboly hazo teny Avaradrano ny fitaleavam-paritry ny mpandraharaha ny fonja, Analamanga, ny zoma teo. Nambaran’izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fanarenana sy fiarovana ny tontolo iainana izany ary manamarika ny fahavononan’izy ireo handray andraikitra amin’ ny famelomana indray ny ala sy ny tontolo voajanahary.

Hiainga, mivantana avy any Mahajanga, ny TVM/RNM amin’ny fankalazana ny 8 marsa izao. Ani­san’ izany ny fampitana ny lanonana rehetra amin’io Andron’ ny vehivavy io. Ny vaovao an-tsary sy feo ary ireo fandaharana isan-karazany avy any avokoa. Ani­san’izany koa ireo fandaharana manokana momba ny 8 marsa.

Partager sur: