Hanatsara ny fomba fiasa ny mpiasa eo anivon’ny primatiora. Nisy ny fampiofanana hanamafisana izany.
Ny fahaiza-mifehy ny serasera manoloana ny fivoaran’ny haitao ankehitriny. Izay no anisan’ny nifantohan’ny fiofanana ho an’ireo mpiasa miisa 85 mianadahy eny anivon’ny fiadidiana ny Primatiora sy ny rantsamangaikany. Nandritra ny herinandro ny fiofanana teny Mahazoarivo ihany, ary nifarana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta Ntsay Christian no nanokatra sy nanomboka izany tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ny 24 febroary lasa teo. Ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Rakotoarisoa Miadantsata Indriamanga, kosa no nisolo tena ny Praiminisitra tamin’ny lanonam-pamoahana ireto mpiofana andiany voalohany. Misalotra ny anarana “Santatra” izy ireo, izay nahazo mari-pahaizana ny amin’ny fiofanana vita. Anisan’ny niofanan’izy ireo koa ny fampiharana ny fahaiza-manao matihanina momba ny haitao ara-kajy mirindra sy ny tontolo niomerika. Eo koa ny amin’ny fampiasana ny ranitsaina artifisialy noforonin’olombelona na ny “Intelligence artificielle” (IA) amin’ny sokajin’asa iandraiketan’ireo rafitra isan-tokony avy. Tombondahiny amin’ny fiofanana ny fahazoana manatsara ny fanomezam-baovao. Eo koa ny fanatsarana ny fampitan-kafatra na teny mita eny anivon’ny andrimpanjakana. Izay no anisan’ny maha zava-dehibe ny fiofanana.
R. Nd.




