Nifampitadiavan’ny mpamonjy voina tao anatin’ny ranon’Ikopa, hita faty 15 minitra taorian’ny nikarohana azy ny lehilahy iray, tao Tanjombato, omaly maraina. Latsaka tao anaty rano io lehilahy io. Nampandre avy hatrany ny sampana mpamonjy voina ny olona nanatri-maso teny an-toerana, tamin’ny 9 ora sy 38 minitra. Tsy nipoitra intsony ilay voalaza fa fefiky ny rano. Nigadona teny an-toerana ny mpamonjy voina 15 mn taorian’ny nahazoany antso. Notazanina ny toerana nahitana ilay lehilahy farany. Niezaka nikaroka sy nanao izay ho afany hamonjena io olona io izy ireo. Naharitra 15 minitra ny fitadiavana ilay niharan-doza. Tsy nisy aina intsony izy. Nakarina an-tanety ny vatana mangatsiakany. Ankoatr’ io, zaza roa lahy niara-namoy ny ainy rehefa nilalao rano teny amin’ny fokontany Ilanivato-Ampasika, afakomaly. Mponina eny Andavamamba ireto zaza ireto saingy nandeha nilalao vatan’akondro, izao nidiran-doza izao. Latsaka tao anatin’ny lavaka fangalana akora fandoroana biriky izy roa lahy ka antony niteraka ny famoizany ainy.
Tsiferana R.




