fahaizana mifampiresaka: « Manasitrana sy mandratra ny teny aloaky ny vava», hoy ny psychologue

Ilaina ary tena zava-dehibe eo amin’ny fahasalamana na tsia ho an’ny olona ny fahaizana mifampiresaka. Maro ny olona sitrana noho izany, misy kosa ireo marary ka ilaina ny fahaizana mandrindra izany.

Manan-danja be ny teny eo amin’ny olombelona sy ny fiarahamonina tsirairay avy. Amin’ny anka­pobeny, mandratra ny ankamaroan’ny olona izy io, izay mi­teraka aretina samihafa ho an’ilay hiantefany. Miteraka ratram-po amin’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina ny voka-dratsin’ny fifampiresahana. Toy ny teny mahery, ny fa­nambaniana, ny teny ratsy, ny fanompana sy ny maro hafa… Etsy ankilany, manasitrana sy mitsabo olona maro ihany koa anefa izy io. Indrindra ho an’ireo olona mahay mifampiresaka tsara amin’ny olon-kafa. Ankoatra izay, amin’ny alalan’ ny teny ihany koa no ha­moa­han’ny olona ny alahelo izay tsy zakany ao anatiny ao. Ma­noloana ireny olana rehetra ireny no antom-pisian’ny psy­chologue, raha ny fanadihadiana natao. Olona nianatra manokana momba ny fahafantarana ny toetoetry ny olona izy ireo amin’ny ankapobeny. Miezaka mamantatra ny fihe­tsiky ny olombelona rehefa niha nandroso ny fianarana mahakasika ny atidoha teto amin’izao tontolo izao, raha ara-tantara.
Tsy entina hitsaboana ny olona marary saina fa hanampiana ny olombelona tsirairay avy hahafantatra sy hampivoatra ny maha izy azy sy ny maha olona azy ny anjara asan’ny psychologue, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy mitsabo amin’ ny alalan’ny fanafody izy ireo fa mitsabo amin’ny alalan’ny psychothérapie. Izany hoe, amin’ny fom­ba efa voadinika sy ampiasaina amin’ny alalan’ny fifampiresahana ihany.
Psychologie,ampiasaina amin’ny sehatra maro

Ankoatra izay, ampiasaina amin’ny sehatra maro samihafa ihany koa ny psychologie. Toy ny sehatry ny fanabeazana, ny varotra, ny orinasa… Raha ho an’ny fanabeazana manokana, hamantarana ny fi­tomboana ara-dalàna eo amin’ny zaza iray. Entina ha­mantarana ny zavatra tokony ho hainy, araka ny salan-taonany ihany koa. Handami­nana ny olana mahazo sy mitranga eo anivon’ny tokantrano ka misy akony amin’ny fianarany. Raha eo amin’ny sehatry ny varotra indray. Entina mampiroborobo ny lalam-barotra ny fampiasana azy. Miseho amin’ ny alalan’ny loko sy ny teny ampiasaina. Raha eny anivon’ny orinasa indray, miasa indrindra amin’ny fotoana andraisana mpiasa vaovao eo anivon’ny orinasa izany.

Efa miara-miasa amin’ny sekoly

Efa maro ny psychologue miara-miasa amin’ny sekoly, hanampiana ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Ahitana izany avokoa na eny anivon’ny ambaratonga farany ambany ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Mbola misy banga ny fanabeazana eto Madagasi­kara, indrindra amin’izao va­nim-potoana mampiroboroboro ny teknolojia izao, raha ny fanadihadiana natao. «Voaka­sik’ izany avokoa ny fanabeazana na any an-tokantrano na ny any an-tsekoly”, hoy i Elisé Rakoto­malala, psychologue. Manom­boka any amin’ny kilasy “maternelle” hatrany amin’ny ambaratonga ambony izany. Antony nahatonga azy ireo resy lahatra hiara-miasa amin’ny karazana sehatra maro samihafa, toy ny sekoly, orinasa… Tanjona ny ha­nomezana tolotra izay ma­maly ny filan’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, raha ny fa­nazavana voaray hatrany.

cmp3.14.14.72670860q4 0xcf0e0a34

Mamolavola ny toe-tsain’ny ankizy ny teknolojia

Amin’izao vanim-potoana izao, anisan’ny mamolavola ny toe-tsain’ny tanora sy ny ankizy ny tekonolojia maro samihafa. Anisan’izany ny internet sy ny tambajotra an-tsosialy isan-karazany. Misy andraikitra lehibe ataon’ny “psychologue” manoloana izany. Mampahafantatra sy miara-miasa amin’
ireo sokajina mpanabe izy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Olana eto amin’ny firenena ny fahadisoan’ny ankizy safidy mahakasika ny lalam-piofanana arahin’izy ireo. Mate­tika tsy mbola mahafantatra ny asa tiany hatao rehefa any aoriana ny ankamaroan’ny ankizy malagasy. Nilaza ny psy­chologue fa misy toetra tokony hifanaraka amin’ny olona tsirairay avy ny asa tiany hatao. Manampy amin’ny fisafidianana ny asa sy fahafantarana ny talenta tiana ataon’ny ankizy re­hefa lehibe ihany koa izy ireo. “Ezahina fantarina dieny mbola kely ny talentan’ny mpianatra sy ny ankizy iray, mba hamenoana izay banga izay”, hoy hatrany izy. Fa tsy avela manao ny lalam-piofanana tiany sy ataon’ny namany. Nefa lalam-piofanana hafa ny manavanana azy. Mba hahafantarana izany, mampiasa ny “test psychologique” eny anivon’ny sekoly. Ahafahana mamantatra ny lalam-piofanana manavanana azy kokoa. Tsy maintsy arahi-maso tsara ihany koa izy ireny mandritra ny fotoam-pianarana. Rehefa hita sy fantatra izay taranja manavanana azy, taritina moramora mankany amin’ny lalam-piofanana tokony harahiny ny sainy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: