Paositra Finances- Label Ampela Paré : Hanohana ny fandraharahan’ny vehivavy

Hanome tolotra manokana ho an’ny vehivavy ny Paositra Finances mandritra ny volana marsa amin’ny alalan’ny label Ampela Paré. Maimaimpoana ny saram-pikarakarana ny antontan-taratasy manerana ny masoivohon’ny Paositra Fi­nances ho an’ireo maniry hindram-bola. Tanjona ny hanohana ny fidiram-bolan’ny vehivavy mba hanatsarana hatrany ny seha-pihariany sy hampivelatra ny asa sahaniny. « Vehivavy avokoa ny 49% ny mpanjifa ka tanjona ny hampitombo izany mandritra ity volana marsa ity », hoy ny tale jeneralin’ny Paositra Finan­ces, Andrianalisoa Heritiana, omaly. Manohana ireo mpiasam-panjanaka sy ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo mpisotro ronono ny Paositra Finances amin’ny alalan’ny tolotra Ketrika. Na­tokana ho an’ny mpandraharaha kosa ny tolotra Herijika, hanohana ny fihariana. Kendrena ny hisitrahan’ny Malagasy tolotra ara-bola mi­fanaraka amin’ny filany sy mi­tondra amin’ny fivoarana ara-toekarena sy sosialy. Marihina fa tafakatra hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny tolotra azo.

Mivoatra
Misandrahaka amin’ny se­hatra rehetra ny tolotra ataon’ ny Paositra Finances ka afaka misitraka izany ny rehetra ma­havaly ny masontsivana takina. Mihatsara ihany koa ny « porte-feuille » satria mitombo ny sehatrasa sahaniny na­nomboka tamin’ity taona ity. Hatramin’ny nisokafan’ny Paositra Finances, ny volana septambra 2024, miisa 20 ireo masoivoho nisokatra tamin’ny faritra maro. Hiampy valo ihany koa izany mandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2025.

Henintsoa Hani

Partager sur: