Fandrantoana fianarana any ivelany: Be mpisafidy ny mankany France sy Canada ary Etats-Unis

Ny vehivavy no tena tia mandranto fianarana any ivelan’i Madagasikara. Mahasarika ny an­ka­maroan’ny tanora ny mandeha any France, Canada ary Etats-Unis.

Mahasarika ankizy sy tanora malagasy maro ny manohy fianarana any ivelan’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. No­finofin’izy ireo hatrany kosa ny handrato fianarana any ivelany noho ny eto Madagasikara. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ireo tia mandeha mianatra any ivelany ireo, raha ny fanazavana voaray. “Be mpisafidy indrindra ny mandeha any France sy Canada ary Etats-Unis”, hoy Rajaonah Haingo, tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny hetsika salon des etudes internationals. «Efa mahaliana ny tanora Malagasy ihany koa ny any amin’ny nosy Maurice. Noho izy io akaiky sy mbola azo lazaina ho mirary kokoa ny saram-pianarana. Toy izay ihany koa ny any Inde sy Turquie noho ny fanomezan’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra”, hoy hatrany izy. Lalam-piofanana tena mahaliana azy ireo ny mahakasika ny Management sy ny Medecine. Miha misokatra ko­sa ny lalam-piofanana hafa toy ny Informatika sy ny architecture, raha ny nambarany hatrany. Maro ny antony mahatonga azy ireo misafidy ny hianatra any ivelany. Voalohany, ny faniriana te hianatra kolontsaina hafa, eo koa ny tsy fitovian’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara sy any ivelany. Manan-danja kokoa ny mari-pahaizana iraisam-pirenena azon’ny ankizy aorian’ny fahavitan’ny fianarana ka antony hisafidianan’ny tanora hianatra any. Mana­mpy sy manamora betsaka ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa ihany koa ny mianatra any ivelany.
Any amin’ny firenena toa an’i France, Allemagne, Italie, Inde ary Angleterre. Mila ma­nomana vola manodidina ny 65 tapitrisa Ariary eo ny tanora iray raha maniry hianatra any ivelan’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany, ny saram-pitantanana mandritra ny herintaona, manodidina ny 2 000 hatramin’ny 3 000 euros. Manampy izany koa ny saram-piaramanidina sy ny vola atao antoka amin’ny banky raha sendra misy loza, hatramin’ny taom-pianarana. Efa ao ihany koa ny vidin-tsakafon’ny mpianatra, maraina sy atoandro ary hariva mandritra ny herintaona. Manampy izany ny hofan-trano, ny jiro sy rano ary ny wifi. Mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa Ariary kosa ny vola ilaina raha te hahavita fianarana hatramin’ ny farany ny tanora iray.

Fanabeazana eto an-toerana
Nilaza ireo mpianatra nanontaniana fa mbola misy lesoka ny fanabeazana eto Madagasikara, ka antony iray mandrisika azy ireo hianatra any ivelan’ny Nosy. Manampy betsaka ny tanora malagasy ny fanomezana sy ny fahazahoan’izy ireo vatsim-pianarana. Nanodidina ny 45 ireo tanora avy eto an-toerana nandrato fianarana tany Inde, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Parul Université. “Miara-miasa amin’ny orinasa lehibe maneran-tany ny ankamaroan’ny oniversite any an-toerana. Tombontsoa lehibe izany satria afaka mandray avy hatrany ireo mpianatra nivoaka, hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Amin’ny teny anglisy avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana, afaka manaraka izany ny tanora iray raha mahazo tsara io fiteny io. “Entanina mba tsy hanao tsinontsinona ny fiteny sy ny fianarana anglisy ny tanora sy ny ankizy malagasy satria anisan’ny teny ampiasana voalohany maneran-tany izy io”, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Hetsika andiany faha-14

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny hetsika fampahafantarana ny fianarana any ivelan’i Madagasikara na ny “salon des études internationales”. Hetsika andiany faha-14, izay karakarain’ny Mada jeune. Naharitra roa ny hetsika teny an-toerana, izay nahasarika tanora maro. Nahitana trano heva manodidina ny 30 isa ny nandray anjara tamin’ny hetsika. Nahitana oniversite avy any France, Canada, Inde, Maurice. Anisan’ny nampiavaka iny hetsika iny ny fisian’ireo firenena hafa nandray anjara. Toa an’i Dubai, Maroc, Thailande sy ny maro hafa. Ankoatra ny fitsidihana ny tranoheva, nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tomponandraikitra teny an-toerana. Natao hanampiana sy nanomezana toro-lalana ireo mpianatra mahakasika ny fisafidiana ny lalam-piofanana sy ny firenena handehanana.

Azo atao ny manaraka ny fiofanana eto Madagasikara ihany
Manodidina ny 20 hatramin’ny 60% ny vatsim-pianarana azon’ny ankizy iray arakaraka ny fahaizan’ny mpianatra omen’ireo firenena maro samihafa manao izany. Azon’ny tanora malagasy ny mandeha manaraka lalam-piofanana any ivelany. Tsy voatery mankany an-toerana anefa ireo mpianatra raha tsy manana fahafahana ara-bola, raha ny fanadihadiana natao. Efa maro rahateo ihany koa ny oniversite any ivelany, manao izany tolotra izany. Mba hanampiana ny tanora malagasy sahirana ara-bola sy tsy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny oniversite. Efa misy, araka izany, ny fanarahana ny fampianarana any ivelany, izay atao eto Madagasikara amin’ny alalan’ny lesona ampitain-davitra”, hoy hatrany Rakotoarivony Seheno, tomponandraikitra eo anivon’ny oniversite mandefa ankizy mianatra any Inde. Hatreo amin’ny mari-pahaizana Licence ihany ny fanaovana izany hatramin’izao fa tsy maintsy makany kosa raha haka ny mari-pahaizana Master.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: