JNA, andiany faharoa: Hatao any Morondava

Hatao any Morondava, ny 28 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao ny Andro nasionalin’ny olon-dehibe, andiany faharoa. “Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana” ny lohahevitra. Tanjona ny hanehoana sy hanamafisana ny fiombonana sy fiaraha-mientan’ny olon-dehibe rehetra ao amin’ny Eglizy. Hahafaha­na miaina ny lohahevitry ny taon-jobily 2025, ho mpivahinin’ny fanantenana. “Fotoana hahafahana manamafy ny finoana sy hanehoana ny maha iray antsika rehetra ihany koa io fotoana io, manoloana ny fanamby rehetra misy ankehitriny”, hoy ny Aumonier ny vovonan’ny olon-dehibe eto Madagasikara, R.P Razafinandraina Noel Marie Cyprien Médard, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, omaly, tetsy Antanimena. Efa ao anatin’ny fanomanana ny diosezin’i Moramanga. Misy ny fiomanana ara-panahy mialoha ny fotoana, izay atao any amin’ny fiangonana tsirairay avy. Notanterahina tany amin’ny diosezin’i Mananjary, ny andiany voalohany, tamin’ny taona 2017.

Mino

Partager sur: