Rugby – Sevens challenger series : Vonona handresy an’i Georgie sy i Allemagne ny Makis

Hanomboka anio, ao Cape Town Afrika Atsimo, ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ny hiatrika izany ny Makis de Madagascar. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Ma­lagasy i Georgie. Aorian’io, hifanandrina amin’i Allema­gne, ry zalahy. Vonona tanteraka ny Malagasy hiatrika izany. Raha ny tombana, tsy tokony hahasakana ny Makis ry zareo Georgie. Taorian’ny fihodinana voalohany, laharana faha-11 amin’ireo firenena 12 miatrika izany ity farany.
Ry zareo Rainiboto no mety ho maozatra satria laharana fahatelo ary nandrombaka ny medaly alimo. Na izany aza, efa nanomana ny taktika handresena ireo mpifanandrina ny mpanazatra. Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana anio ity satria hiadiana ny toerana, hahazoana miatrika ny dingana manaraka hatao any Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao. Hatambatra ny isa azon’ireo firenena 12 nandritra ny dingana roa natao ka tafita hiatrika izany ireo firenena 8 manana isa tsara indrindra. Tsiahivina fa laharana fahenina ny Makis tamin’ny dingana voalohany. Ireo ekipa efatra tafavoaka amin’io indray no hanao ny “Play-off” hatao any Los Angeles, ny 3 sy 4 mai ho avy izao. Ny roa voalohany aorian’io no mahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series”.

Tompondaka

Partager sur: