Araka ny fanambarana navoakan’ny pejin’ny FMF, omaly, ho fantatra ny 12 marsa ho avy io ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa amin’ny 19 marsa ho avy izao, hifandona amin’i Centrafrique i Madagasikara, any Maroc. Ny 24 marsa ho avy io, hifanandrina amin’i Ghana ny Malagasy, any Maroc ihany.
Vita tanteraka afakomaly, ny lalao ampahavalon-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, efa manana tombon’
isa ho azy avokoa ny Real Madrid, ny Bayern Munchen, ny Arsenal FC, ny FC Barcelone, ny Liverpool. Mbola miady mafy kosa ny Benifica, ny PSV Eindhoven, ny Paris Saint Germain. Hatao ny 11 marsa ho avy io ny lalao miverina.
Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andiany faha-11 amin’ny “XXL Smatchin by Be Connect”. Fifaninanana basikety natokana ho an’ny Oniversite miankina sy tsy miankina
amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Sekoly 50 no hiady ny amboara amin’ity fifaninanana ity.
Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’ny hifandona eo amin’ny sokajy U16, lehilahy, ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE.