Volley-CCC ZONE 7 : Tafakatra manasa-dalana ny GNVB, sokajy lehilahy

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ ny Klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja volley, tanterahina any Maorisy.

Taorian’ny nahatafakatra ny ekipan’ny GNVB, vehivavy, amin’ny manasa-dalana, nahazo ny tapakila ihany koa ny GNVB, lehilahy, ho amin’izay manasa-dalana izay, rehefa nandavo ny ekipan’ny volley-ball M’Tsapere Mayotte, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-12/25-23/25-18), omaly, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Araka izany, tafita amin’ny manasa-dalana avokoa ny ekipa lahy sy vavy ary efa azo lazaina fa mety hiakatra lapihazo izany, raha izao vokatra izao. Tsiahivina, nandresy ny ekipan’ny Tranque­bar maorisiana, tamin’ny seta 3 no ho 0, ny GNVB, vehivavy, ny alarobia lasa teo, teo amin’ny ampahefa-dalana. Raha tsiahivina ny dingana nodiavin’ny GNVB, azo lazaina ho tena tsara hatreto satria tsy mbola resy mihitsy izy ireo nanomboka tany amin’ny lalao fifanintsanana isam-bondrona ary nitana ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy avy. Mbola vonona ny hanohy izany fahombiazana izany hatrany amin’ny lalao famaranana ny GNVB ary hitondra ny amboara eto an-tanindrazana mihitsy no tan­jon’izy ireo. Ho an’ny ekipa malagasy Squad X, sokajy vehivavy, izay anisan’ny nandray anjara tamin’ity CCC Zone 7 ity ihany koa, tsy tafavoaka ta­min’ny fifanintsanana isam-bondrona izy ireo, rehefa resy indroa nisesy. Na izany aza mbola eo ny GNVB hiaro ny voninahi-pirenena izay azo antoka fa tsy hamela moramora ny mpifanandrina aminy amin’ny manasa-dalana izay tanterahina anio.

Mi.Raz

Partager sur: