DAKA AN-JORONY : Aza manao fitiavana mandalo

Malaza ho sakaizan’ny mpandresy ny Malagasy raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Raha mandresy, tsenaina sy anaovana akora lava. Aderadera etsy sy eroa ary ankalazaina ho ren-tany, ho ren-danitra. Mitsangana hatramin’ny maty, hoy ny vazivazin’ny sasany. Marina tokoa izany satria ireo tsy tazana hatramin’izay, miseho ho mpanohana avokoa rehefa tojo fahombiazana. Tsy ho tanisaina eto kosa raha ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Aza manao fitiavana mandalo toy ny fofom-boankazo manitra, miserana fa tsy mitoetra.
Misy olona, tena miasa mangina tsy mitarai-tana-mihepaka na miala an-daharana raha sendra sarotra. Mazàna, toa zary hatao vato natsindry hazana izy ireny. Fahombiazana iny ny an’ny Makis de Madagascar, manao be fihavy tokoa ireo sakaizan’ny mpandresy. Tohano hatramin’ny farany fa aza atao fitiavana mandalo toy ny rano mandia vato. Aleo miara-miketrika dia miara-tafa fa tsy hanao hevi-petsy. Raha hiasa dia anao fa raha hioty vokatra dia ahy. Aleo atao fitiavana toy ny volamena. Kapohina, dorana fa tsy levona.
Iarahan’ny rehetra miandry indray izao ny an’ny Barea de Madagascar. Hivoaka afaka telo andro ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ireo fifaninanana isan-tokony. Aza tia ohatra ny sahona anaty haratra, mandalo andro mafana fa miafina amin’ny orana. Sanatria ndeha hanozona satria tsy mifanaraka amin’izay eritreretina. Aza atao fitiavana mandalo toy ny fofom-bomanga fa tsy misy ala maizina ho an’ny mpifankatia. Rehefa tena mifankatia, tsy misy olana na sakana tsy hainy atao fandresena. Koa alao hery àry, fa aza atao fitiavana mandalo.

Tompondaka

Partager sur: