“Alefa Madagascar 2025”: Hifandona ny Team des Héros sy ny Madagascar All Stars

Hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 26 marsa ho avy izao, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Ma­da­gascar 2025”, hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo kalaza any ivelany, sy ny Madagascar All Stars, ikambanan’ireo olo-malaza eto an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity hiarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny orinasa Yas Madagascar, ny Soka Club ary ny Vivo Energy Mada­gascar manatanteraka. Tan­jona ny hananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maro eto Mada­gasikara. Anisan’izany ny fanamboarana kianja sy efitrano fiomanana eny amin’ny CEG Ambo­hipo. Ankoatra izay, hitsirika EPP maro eto an-toerana ireo vahiny ary hifampizara sy hampita amin’ireo ankizy ny maha zava-dehibe ny fianarana sy ny fanatanjahantena. Ampaha­fan­tarina ihany fa vahiny mpilalao maro no ho tonga eto Madagasikara mandritra ity hetsika goavana ity. Toa an-dry Robert Pires, Alain Gires­se, Jay Jay Okocha, Ger­vinho, Amine Radi, Govou, Adebayor, Laura Georges. Ho an’ny Malagasy kosa, ho tazana eny ambony kianja ireo mpilalaon’ny Barea teo aloha, anisan’izany ry Voavy Paulin, Faneva Ima, Abel Anicet, miampy an-dry Nina, sy i Muriel Hajanirina, mpilalaon’ny Ankoay, vehivavy. Ho hatevenin’ireo artista malagasy: Shyn, Oboy, Ceasar, Oladad.

Fitia Randria

Partager sur: