Biby miavaka eny amin’ny fiarahamonina ny alika. Nisy ny fanadihadiana natao omaly, teny Ambohijatovo, tamin-dRafenomiarintsoa Mavross Ramarolahy, mpibaiko alika na Maître chien. Nilaza ny tenany fa azo baikoina avokoa ny alika rehetra na ireny mirenireny ireny aza, na fantatry ny maro amin’ny hoe: “alika gasy”.
Amin’ny ankapobeny, mora ny fampianarana ny alika saingy tsy mila maika ny fanatanterahana izany. Maharitra dimy volana eo izany fara fahakeliny. Somary sarotra kosa ny manabe ireo alika manan-kilema. “Sarotra ny mampianatra alika rehefa somary tsy maheno ny sofiny na marary ny tongony”, hoy hatrany ity tovolahy ity.
Misy fiofanana atao moa raha tiana ny hivoaka ho mpampianatra itony biby itony. Raha ny nambaran’i Mavross, mianatra mandritra ny 12 volana ny olona iray te ho Maître chien. Misy dingam-piofanana telo arahina amin’izany. Eo ny Cavalier de chien, ny Conducteur de chien ary ny Maître hien”. Raha ny fanazavana nataon’ity mpifehy alika ity, ilaina ny mizaha ny fahasalaman’ireny biby ireny. Ao anatin’izany ny fanaovana vaksiny azy, ny fanomezana ody kankana, ny fizahana ny vatany sao misy tsy tomombana. Nomarihiny koa fa atao araka ny lanjany sy ny taonany ny fampianarana ireo zavatra ireo aminy.
Manoloana ny aretina maha romotra na ny haromotana, tokony hitsindrona ny fanoherana izany isan-taona ny alika rehetra. “Tsy ny alika irery ihany moa no tokony hotsindromina fa hatao ihany koa ireo biby izay akaikin’ny olombelona rehetra toy ny saka…”, hoy izy. Manana sakafo manokana tokony hohanina ny alika ka ilaina ny mitandrina izany.
Norarany fatratra ny fanomezana hena masaka ny alika. “Manimba ny vavonin’ny alika ny fihinanany hena masaka, fa raha azo atao, hena manta hatrany no omena azy”. Ankoatra ireo, ireto ihany koa ny tsy azon’ny alika hohanina ny taolan’akoho, ny trondro, ny ovy sy ny mofo misy lafarinina ary ny anana. “Tsara raha mba manjifa ireny Croquette ireny ny mpiompy alika raha tian’izy ireo ho salama tsara ny biby ompiany”.
Miavaka amin’ny biby fiompy hafa
Miavaka tanteraka amin’ireo biby fiompy hafa ny alika. Voalohany, manala ny sorisory andavanandro izy ireny rehefa miaraka milalao aminy. Faharoa, ilaina ihany koa izy ireny eo amin’ny resaka fandriampahalemana. Farany, namana tena tsy mivadika ny alika, ny mampivadika azy dia ny fomba fitaizana azy somary niova loatra.
Araka ny fikarohana natao, mahira-tsaina mitovy amin’ireo ankizy 1 taona sy 2 taona izy ireny. Ny taonany moa dia mihoatra fito amin’ny taonan’ny olombelona. Ohatra, raha 2 taona ny olona, 14 taona izany ny alika.
Maro ireo alika entin’ny zandary sy miaramila miasa. Nanazava Rafenomiarintsoa Mavross Ramarolahy, fa ireo Berger de Travail na (BAT) no tena fampiasan’ny mpitandro filaminana eto Madagasikara. Taty aoriana dia nisy ny Berger Allemand sy ny Berger Bèlge ary ny Rottweiler. Tsara ny mampahafantatra fa Rafenomiarintsoa efa 24 taona nisehatra teo amin’ny fibaikoana alike i Mavross Ramarolahy. Nivoaka tao amin’ny ivontoeram-piofanana, Centre de reproduction de formation et de dressage canin (CRFDC) ny tenany. Efa nitety faritra maro izy, toa an’i Toamasina, Vohemar, Morondava, Nosy Be.
Nanatontosa : Fitia Randria